Zoma 12 Marsa 2021
… mba hitady an’Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy. Asan’ny Apostoly 17:27
Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo. Filipiana 4:5
Misy nosy roa ao amin’ny andilan-dranomasin’i Béring, akaikin’ny tendrontany Avaratra : ny Diomède lehibe, an’i Rosia, sy ny Diomède kely, an’i Etazonia. Mandalo eo anelanelan’ireo nosy roa ireo ny tsipika mamaritra ny fiovan’ny daty. Raha alatsinainy any amin’ny Amerikana, dia efa talata any amin’ny Rosiana ! Efatra kilometatra monja anefa no manelanelana ireo nosy roa ireo.
Tena mifanalavitra, nefa tena mifanakaiky koa ! Tsy izany ve, matetika, no iainantsika miaraka amin’Andriamanitra ? Toa lavitra dia lavitra no fahatsapantsika Azy, nefa tena akaiky dia akaiky Izy. „Tsy mba lavitra antsika rehetra Izy (Andriamanitra)”, hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Ateniana. Teo akaikin’izy ireo Andriamanitra, nefa tsy fantany. Nanangana alitara ho Azy mihitsy aza izy ireo, alitara natokany „ho an’izay andriamanitra tsy fantatra”.
Ny tena misakana antsika tsy hanatona an’Andriamanitra angamba, dia ireo hevitra mialoha efa ao anatintsika, ireo hevi-disontsika. Raha mihevitra isika fa sarotsarotiny Andriamanitra na mafy fo, dia ho tafajanona lavitra Azy. Fa raha misokatra ho amin’ny fitiavany kosa isika, dia hanakaiky Azy.
Tonga Jesosy nampahafantatra antsika fa te ho akaiky dia akaiky antsika Andriamanitra, ary te hamela ireo fahadisoantsika, eny fa na dia ireo izay tsy hay lazaina aza. Lafo dia lafo ny saran’ny nanefan’i Jesosy ny tambin’ireo. „Ianareo… dia efa nampanakeken’ny ran’i Kristy”, hoy ny voasoratra (Efesiana 2:13).
Hijanona lavitra an’Andriamanitra ve isika, sa maniry hanatona Azy ? Aza matahotra holaviny, fa minoa ny famelan-keloka atolony, ny fitiavany. Ndao hanatona an’Andriamanitra isanandro… satria isanandro dia misy zavatra hamelany heloka antsika, homeny antsika, na tiany holazaina antsika fotsiny ihany. Ndao hanatona Azy isanandro, amin’ny alalan’ny vavaka.