Asabotsy 13 Marsa 2021
(Hoy Jesosy :) Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. Jaona 14:23
Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo ; tomoera amin’ny fitiavako ianareo. Jaona 15:9
Jaona 1:35-39 : Nisy mpianatra roa nanaraka an’i Jesosy. Nitodika Izy ary nanontany azy ireo hoe : „Inona no tadiavinareo ?” Dia hoy izy ireo taminy : „Aiza Ianao no mitoetra ?” Ary Jesosy nitaona azy ireo hankeo aminy. Ireo mpianatra roa ireo dia naniry hiaraka amin’ny Tompo mba ho afaka mihaino Azy, manontany Azy, ary mahazo tombony amin’ny fifaneraserana akaiky aminy.
Lioka 19:2-6 : Zakaiosy koa, izay te hahalala an’i Jesosy, dia nitady izay hahafantarany hoe Iza moa izany Jesosy izany. Koa niakatra teny ambony hazo iray teo amoron-dalana izy, ary nahita an’i Jesosy tamy. Fa indrindra, henony Jesosy niteny taminy hoe : „Ry Zakaiosy, midìna faingana ; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio”. Teo no ho eo dia nampiantrano an’i Jesosy tam-pifaliana izy.
Ho antsika kristiana dia ny „mitoetra miaraka amin’ny Tompo” tokoa no fiombonana aminy. Amin’ny finoana dia afaka mitoetra eo anilany isika, amin’ny alalan’ny fivavahana aminy sy ny famakiana ny Teniny. Azontsika atao koa ny mitady fiarahana amin’ny mpino, any amin’ireo fivoriana kristiana, any amin’izay nampanantenan’ny Tompo ny fanatrehany (Matio 18:20).
Nefa miaraka amintsika ihany koa ny Tompo, eo amin’izay toerana misy antsika, ao anatin’ny toejavatra rehetra iainantsika. Niteny Izy hoe : „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20). Ataon’ny Fanahiny mahatsapa ny fanatrehany isika, rehefa miaina amin’ny fankatoavana ny Teniny, rehefa „mitandrina” ny Teniny.
Tetỳ an-tany ny Tompo dia nanao ny sitrapon’ny Rainy, ary nahatsapa mandrakariva ny fitiavany. Taominy isika mba hanao toy izany koa. Dia ho „tanteraka” ny fifaliantsika (Jaona 15:10, 11), haneho taratra kely amin’ny toetrany ny fiainantsika, ka Andriamanitra no hahazo voninahitra amin’izany.