Alahady 14 Marsa 2021

Avia hiara-mifaly amiko ; fa efa hitako ilay ondriko very. Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra, ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka, noho ny amin’ny olona marina sivy amby sivifolo, izay tsy misy tokony hibebahany. Lioka 15:6, 7

 

Maty ho anao koa Kristy

Nalevina tao amin’ny toeram-pandevenana tao an-tanàna kely iray ity lehilahy zokiolona izay nangataka mba tsy hisiana fanompoam-pivavahana mihitsy. Voapetraka ny vatam-paty, nisy fanginana mavesatra tsapa. Toa tsy azo heverina ny handao ilay toerana, raha tsy misy teny fampiononana sy fanaovam-beloma. Vao mainka niha nanery ny fanginana.

Nandroso nanatona ny fianakaviana ny namana iray, ary nanontany raha afaka milaza teny vitsivitsy. Nanokatra ny Baiboliny izy, ary namaky ilay andininy ao amin’ny Filazantsara hoe : „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Avy eo izy dia nivavaka ary nametraka ny fianakaviana sy ny mpanatrika rehetra ho eo ambanin’ny famindrampon’Andriamanitra.

Taoriana kelin’izany dia nanatona an’ilay kristiana ny mpikarakara zaridainan’ny toeram-pandevenana, ary nanontany hoe :

— Azafady tompoko, ianao ve no pretra na ny pasitera ?

— Tsia, sady tsy pretra aho no tsy pasitera, fa kristiana tsotra fotsiny, satria nino fa Jesosy Kristy dia maty teo amin’ny hazofijaliana mba hamonjy ahy. Nanganohano ny ranomason’ilay mpikarakara zaridaina.

— Aza mitomany, fa maty ho anao koa Kristy !

— Fantatro izany ankehitriny, izao aho vao nahalala izany.

Teo anoloana fasana misokatra dia mbola naneho indray ny heriny mamelombelona ny Tenin’Andriamanitra. Nisy olona iray „nateraka indray”. Antom-pifaliana any an-danitra izany, ary fahasambarana ho an’ilay mahafantatra fa voavela ny helony.

Endre ! Fifaliana toy inona moa ny any an-danitra,

Rehefa misy olona iray mamaly ny antson’

Ilay Mpamonjy Izay mitaona azy :

Voaisotra mandrakizay ny fahotany rehetra.

Omen’i Jesosy fiainana sy fiadanana izy,

Ary raisiny hialoka eo an-tratrany.