Alatsinainy 15 Marsa 2021

Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika ; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony. Galatiana 5:1

 

Ny lalànan’ny fahafahana

Nandritra ny adihevitra nateraky ny fandaniana lalàna vaovao iray, dia niteny ny tompon’andraikitra ara-pôlitika iray hoe : „Ity lalàna ity dia lalànan’ny fahafahana, satria manangana ho fitsipika ny zon’ny tsirairay hanana safidy malalaka sy ho afaka manaraka malalaka ny firehetam-pony”.

„Afaka manaraka malalaka ny firehetam-pony !” Fiteny ho nampihomehy izany, raha tsy nilaza loza : loza satria mitombo kokoa hatrany, ankehitriny, ny fiankinan-doha amin’izatsy na amin’izarỳ, ka any amin’ny toeram-pitsaboana mihitsy no manjary ametrahana sampan-draharaha natokana ho an’izany loza izany. Tsia, tsy mamela antsika ho afaka ny firehetam-pon’ny maha olona antsika, fa vao mainka aza manandevo. Azo antoka fa maro amintsika no hahita ny tenany eo amin’ny toeran’ilay lehilahy voalazan’ny apostoly Paoly hoe : „Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko ; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko” (Romana 7:19). Koa fitaka sy hevi-dravina ny mampanantena fahafahana amin’olona, amin’ny famelana azy hanao izay tiany.

Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly, dia manolotra antsika lalànan’ny fahafahana iray hafa. Hitany „fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota ; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana” (Jakoba 1:14, 15). Tiany isika ho tafala amin’io fahafatesana ara-panahy io sy ho afaka amin’ny „lalànan’ny ota” ao anatintsika (Romana 7:23 ; 8:2). Tiany hovaina ny fontsika, izay mitady hanohitra Azy mandrakariva. Mba hahatongavana amin’izany, dia nomeny Jesosy Kristy Zanany. Izay mino Azy dia mandray toetra vaovao, mahatsiaro sambatra mankatò ny sitrapon’Andriamanitra. Izany no tena fahafahana, fahafahana miaina mifanaraka amin’Ilay Mpahary, Izay nahary antsika araka ny endriny.