Talata 16 Marsa 2021
Henoy ny feon’ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô ; fa Ianao no ivavahako. Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko ; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho. Salamo 5:2, 3
Manoloana ireo filana maika entina eo amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka, dia matetika isika no miandry valiny haingana. Nefa tsy toy izany foana ny fomba fiasan’Andriamanitra. Indraindray Izy miteny hoe : eny, indraindray koa : tsia. Ary matetika Izy no miteny hoe : aoriana kely.
— Mba hahazoantsika ny valiny hoe „eny”, izay fanatanterahana andrasantsika, isika ve mba nivavaka araka ny anafaran’ny Tenin’Andriamanitra antsika ? „Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy ; ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy” (1 Jaona 5:14, 15).
— Nefa Andriamanitra dia mety ho hentitra, mamaly antsika hoe „tsia”, na dia nangataka tam-pinoana aza isika. Mety misy antony maro, mahatonga izany : ny fahafaham-pontsika manokana no hany kendren’ny vavaka ataontsika, tsy mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fangatahantsika… Nefa matokia mandrakariva fa tia antsika Izy. Haintsika ve ny mamantatra ny sitrapon’Andriamanitsika rehefa manao tsia amintsika Izy ?
— Farany, noho ny antony tsy fantatsika, matetika, dia tsy omen’Andriamanitra antsika avy hatrany, araka ny fahendreny, ny valiny andrasantsika. Angamba Izy te hizaha toetra ny finoantsika, mba hananantsika faharetana (Jakoba 1:3). Andriamanitra no mahalala ny fotoana tsara hamaliana antsika, ka ho tony sy hatoky Azy isika fa hahazo izay tsara indrindra ho antsika, ary Izy irery ihany no mahay manome izany antsika.