Alarobia 17 Marsa 2021
Misy zazalahy atỳ manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany, amin’izao olona betsaka izao ? … Nandray ny mofo Jesosy ; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin’izay nipetraka hihinana Izy ; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy. Jaona 6:9, 11
Tsingerin-taona nahaterahan’i Nicolas tamin’izay. Vao nomen’ny dadatoany vola izy, ka ho afaka mividy ny zavatra nonofinofisiny : vata fitaratra kely misy trondro mena roa anaty rano, milomano eo anelanelana akorandriaka mavo maromaro sy zavamaniry maitso ary vato maro loko. Rahampitso ihany izy dia ho any amin’ilay fivarotana efa nitsiriritany izany.
Tamin’ny fianarana Baiboly io tolakandro io, ny mpampianatra dia niresaka momba ny boka sy ny vola matetika tsy ampy, mba hitsaboana azy ireo any amin’ny hôpitaly sy hividianana fanafody.
— E, hoy i Nicolas anakampo, tsy afaka manome na inona na inona aho ! Vola ilaiko hividianana ireo trondroko roa ihany no hany ananako.
Nanonofinofy ilay vata fitaratra izy, ka tsy nihaino intsony ny mpampianatra. Tampotampoka teo dia henony izy niteny hoe :
— Ie, nanome trondro roa ihany koa ilay zazalahy kely, ho an’ny Tompo Jesosy. Taitra tamin’ny nofinofiny i Nicolas :
— Inona àry no nolazainy momba ny trondro ? hoy izy nanontany tena.
Hay moa ! Ilay zazalahy ao amin’ny Baiboly, nanome mofo dimy sy hazandrano roa ho an’ny Tompo Jesosy no resahiny, ary tamin’izany dia olona 5000 mahery no voky.
Lasa eritreritra fatratra i Nicolas, teny an-dala-nody.
— Nanome trondro roa ilay zazalahy…
Navesatra kely taminy ihany ny fanapahan-kevitra noraisiny… nefa tsy nihemotra izy : homeny ho an’ny asa misiona any Afrika, amin’ny alahady ho avy izao, ilay vola sarobidy taminy.
Fantatr’ilay dadatoany, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, ny fanapahan-kevitra noraisin’i Nicolas ; dia nomeny zavatra tsy nampoiziny i Nicolas, azonao an-tsaina hoe inona.