Alakamisy 18 Marsa 2021

Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah ; nefa hoy ianareo : Inona no nentinao nitia anay ? Malakia 1:2

 

Tia antsika Andriamanitra

Fanontaniana tena mamingavinga ilay napetraky ny vahoakan’Andriamanitra taminy hoe : „Inona no nentinao nitia anay ?” Indrindra taorianan’ny porofo marobe maneho ny fitiavan’Andriamanitra tsy miovaova ! Ren’Andriamanitra ny fitarainan’ny vahoakany nandevozina tany an-tanin’olona, ka nafahany tamin’ny fomba mahagaga izy ireo. Nokarakarainy nandritra ny 40 taona tany an-taniefitra izy ireo, talohan’ny nametrahany azy tany amin’ilay „tany nolazain’ny teny fikasana” (Hebreo 11:9). Taorianan’izany dia tsy nitsahatra nitombo ny isan’ny fitahian’Andriamanitra ny olony ; nefa dia fanaovana tsinontsinona Azy no mba azony, ho setrin’izany ! famingavingana hoe : „Inona no nentinao nitia anay ?”

Misy miteny, indraindray, hoe : „Raha tia antsika Andriamanitra, dia tsy ho nisy tsy rariny maro toy izao, na fahantrana…” Maniratsira an’Andriamanitra ny teny toy izany ! Ny tsy mpino ve mahazo mitana an’Andriamanitra, Izay tsy inoany akory, ho tompon’andraikitra amin’ny manjo izao tontolo izao ankehitriny ?

Izay rehetra mino an’i Jesosy Kristy dia mahafantatra tsara fa mbola mitia antsika hatrany Andriamanitra, na eo aza ny tsy firaharahantsika sy ny fahadisoantsika. Izany fahagagana lehibe momba ny fitiavan’Andriamanitra izany no tokony hasehontsika amin’ireo sahy miahiahy ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra… satria tsy mahafantatra an’Andriamanitra.

„Fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” (Romana 5:8). Misy ve fitiavana lehibe kokoa noho ny an’Ilay Andriamanitra nanome ny Zanany hamonjy ny olona noarìny, ary mbola mitia azy ireo hatrany, na dia manimbazimba Azy aza izy ireo ?

Andriamanitra dia tsy afaka ho tia antsika mihoatra noho izay efa nataony, tsy afaka hanome antsika mihoatra noho izay efa nomeny. Mivavaha aminy, am-pinoana, fa vonona Izy hamela heloka izay mino ny fitiavany !