Zoma 19 Marsa 2021
Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Salamo 32:1
Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo… Isaia 45:22
Sarotra ny miaiky fa meloka sy ny manaiky fa mendrika ny fitsaran’Andriamanitra. Ny Baiboly anefa dia manambara hoe : „Tsy misy marina, na dia iray akory aza… fa samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3:10, 23).
Nefa raha vao manaiky sy miaiky ny toetrantsika eo anatrehan’Andriamanitra isika, dia efa vita ny dingana sarotra indrindra. Ny sisa hataontsika dia ny miantoraka eo an-tratrany sy ny manaiky ny famelan-keloka tiany hatolotra antsika, satria Izy „tia ny olona rehetra hovonjena” (1 Timoty 2:4).
Na oviana na oviana Andriamanitra tsy manao ho tsinontsinona ny fahotana. Nefa notiaviny fatratra izao tontolo izao, ka „nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Nasongadin’i Jesosy Kristy izany fitiavana izany, tamin’ny nanekeny hisolo toerana antsika, hizaka ny fitsaran’Andriamanitra. Koa na ny olona faran’izay meloka indrindra aza, dia afaka mitodika am-patokiana amin’Andriamanitra, Izay mamela heloka tsy misy fetra. „Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy” (Jakoba 4:8).
Ao amin’ny Filazantsara, Jesosy dia milaza fa tsy tonga ho an’ny olona salama, fa ho an’ny marary : „Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota” (Matio 9:13). Ireo izay mihevi-tena ho marina dia tsy afaka hahazo famelan-keloka. Koa raha tsy tonga saina hoe mpanota, dia tsy afaka hahafantatra ny fitiavan’Andriamanitra tsy hita lany. Ary ny kristiana izay miaiky ny fahotany, ny fahadisoany, ny fetrany, dia afaka amin’ny fahamelohana mavesatra vokatr’izany. Fantany fa namela ny helony Andriamanitra (1 Jaona 1:9).