Asabotsy 20 Marsa 2021
(Samoela zatovo namaly hoe :) Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao. 1 Samoela 3:10
Jehovah niteny nifanatrika tamin’i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Eksodosy 33:11
— Ohatra fifampiresahana voalohany : Hoy Jehovah tamin’i Abrahama : „Aza matahotra… Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao”. Namaly Abrahama, izay tsy nanan-janaka, hoe : „Inona no homenao ahy ? fa izaho… tsy manan-janaka.” Koa dia nilazan’ny Tompo izy hoe tena hanan-janaka. Avy eo dia nentiny tany ivelany izy, ary nilazany hoe : „Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana… Ho tahaka izany ny taranakao” (Genesisy 15:1-5).
— Ohatra faharoa : Niaritra fangirifiriana nitohy tsy tapaka ny apostoly Paoly, tao amin’ny vatany. Koa nangataka indray mandeha tamin’ny Tompo izy, mba ho sitrana. Tsy nambara antsika ny valiny, nefa fantatsika izy fa mbola nangataka fanindroany sy fanintelony. Ary teo isika nahare ny valintenin’Andriamanitra hoe : „Ampy ho anao ny fahasoavako ; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena” (2 Korintiana 12:9).
— Ohatra fahatelo : Miresaka momba ny hiverenany indray Jesosy. Koa ny Fiangonana, izay ho Vadiny, dia miara-miantso amin’ny Fanahy hoe : „Avia !”. Ary ao aoriana kely dia mamaly ny Tompo hoe : „Eny, avy faingana Aho”. Dia ny Fiangonana indray no miantso, hoe : „Amena. Avia, Jesosy Tompo !” (Apokalypsy 22:16-20).
Asehon’ireo fifampiresahana ireo antsika ny atao hoe fiombonana amin’Andriamanitra. Mifampiresaka aminy isika, amin’ny alalan’ny fihainoana ny Tompo, ny vavaka, ny fandinihana ny Teniny. Mazava ho azy anefa fa tsy afaka hanao izany isika, raha tsy efa nandray Azy eo amin’ny fiainantsika, aloha. Miteny amintsika ny Tompo, indraindray, ary mampieritreritra antsika amin’ny fomba maro samihafa. Mba ho afaka hamaly Azy koa ve isika, amin’izay, hoe : „Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao” ?