Alahady 21 Marsa 2021

Nampitenenin’Andriamanitra… tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra ; Izy no nahariany izao tontolo izao, Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny. Hebreo 1:1-3

 

Maharaka tsara ny vaovao ve ianao ?

Hatramin’ny nisian’ny „internet” sy ny „smartphone”, dia afaka mahazo ny vaovao rehetra tiantsika ho fantatra isika ankehitriny. Tsy tena ny vaovao rehetra anefa, satria ireny fitaovana fampahalalam-baovao ireny tsy mamaly ny fanontaniana fototra apetratsika hoe : „Inona no ilàna ny fiainako ? Nahoana aho no eto ?”

Izay mino fa misy Andriamanitra dia mahafantatra fa Ilay Mpahary azy no nampanoratra ny Baiboly, izay manome ny valin’ireo fanontaniana apetratsika momba ny dikan’ny fiainantsika. Ireto misy valiny vitsivitsy, raisintsika satria marina :

— Noforonin’Andriamanitra ny olona mba hikolokolo fifandraisana miaraka aminy, ao anatin’ny fatokiana, ny fitiavana, ny fiadanana ary ny fifaliana (Ohabolana 8:31).

— Ny olona noarìn’Andriamanitra dia tsy manaiky Azy ho Ilay Mpahary azy ireo. Izany no mahamaro eto amin’izao tontolo izao ny fahasiahana, ny tsy fahamarinana, ny fankahalana, ny herisetra, ny fahavetavetana, ny fijaliana (Romana 1:19-21).

— Andriamanitra dia fitiavana : naniraka an’i Jesosy Kristy Izy, mba ho afaka manome antsika ny famelan-keloka sy ny fiainana mandrakizay (1 Jaona 4:9).

— Andriamanitra dia mamindra fo amin’izay tsy nankatò Azy (Isaia 1:18). Rehefa mino isika ary mandray an’i Jesosy ho Mpamonjintsika, dia avelan’Andriamanitra maimaimpoana ny helotsika. Izany dia vokatry ny fahasoavany. Ataony mihavana aminy isika. Ary manjary Raintsika mihitsy aza Izy.

Henoy ny vaovao lehibe indrindra omen’Andriamanitra anao : afaka mahazo ny famonjena sy ny fiainana ianao, anio ! Ilazany koa ianao tsy hanao ampitso lava ny fanapahan-kevitrao, satria „tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo ? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona” (Jakoba 4:14).