Alatsinainy 22 Marsa 2021
Aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an’ny fanahinao ; fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana. Ohabolana 24:14
Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena. Salamo 111:10
Dimampolo taona lasa izay, teny an-dalamben’i Paris dia nisy tanora nanao fihetsiketsehana, nitafy akanjo nisy soratra hoe : „No future” (Tsy manana hoavy). Ny endriny, ny fihetsiny ary ny teny filamatra naverimberiny dia nanambara zavatra betsaka momba ny halalin’ny fahadisoam-panantenany. Ary ankehitriny dia mbola lalina kokoa noho izany ny toejavatra tsy mampilamina.
Tsy miteraka filaharana an-dalambe intsony izany fahaverezam-panantenana izany, nefa indraindray dia mitarika ireo voadona mafy kokoa sy ireo marefo kokoa hamono tena ; ary ny famonoan-tena no antony voalohany mahatonga fahafatesana eo amin’ny olona 20 taona hatramin’ny 35 taona any Frantsa. Asehon’izany toejavatra izany fa tsy nisy nahomby ny zavatra nampanonofinofy ireo taranaka teo aloha ! Tsy nitondra fahasambarana akory ny firoboroboana ara-karena, na ny fandrosoana ara-teknolojia, na ny voka-pikarohana ara-tsiansa, ary na ny fanantenana lehibe niorina tamin’ireo firehan-kevitra samihafa aza. Ara-drariny, saingy tsy tanteraka, ny faniriana hivelatra, hiadana, ho afaka. Matoa tsy manana „vinavina” ireo taranaka mandimby antsika, tsy satria ve tsy hain’ireo taranaka teo aloha ny niaina sy nampahafantatra ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny olombelona ? Tsy afa-miala amin’izany ny mpino, satria tsy dia nahay nampita ny tsiambaratelon’ny tena fiainana.
Tsy tanjon’Andriamanitra mihitsy ny hanarina ny rafitr’izao tontolo izao, izay tafalatsaka anaty tsy fahombiazana nateraky ny ota ; nefa kosa tokony ho fantatsika fa mbola misokatra izao ny fidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra : „Jesosy nitory ny filazantsaran’Andriamanitra ka nanao hoe : Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara” (Marka 1:14, 15).
(rahampitso ny tohiny)