Talata 23 Marsa 2021

Jesosy namaly hoe : Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy. Jaona 3:5

Fa efa teraka indray ianareo… tamin’ny… tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra. 1 Petera 1:23

 

Nateraka indray ve ? (2)

Nanao fanadihadiana kely ny evanjelista Dapozzo, nandritra ny diany nandeha fiarandalamby namakivaky an’i Frantsa sy Soisa ary Italia. Napetrany tamina olona zato ny fanontaniana hoe : „Ianao ve kristiana efa nateraka indray ?” Ny olona mahafantatra ny Filazantsara sy mino an’i Jesosy Kristy ihany no afaka mahatakatra io fanontaniana io. Maro karazana ny valinteny azo, indraindray maneho hatezerana : „Mpitendry orga ao am-piangonana aho, tompoko !” na : „Tao amina antoko-mpihira aho”, na „Izaho efa vita batisa !” … Tamin’ireo olona zato nanontaniana, dia iray monja no namaly mazava hoe : „Eny” !

Zava-dehibe fototra anefa io fanontaniana io. Hoy tokoa mantsy i Jesosy tamina mpitondra fivavahana iray : „Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra” (Jaona 3:3). Tsy afaka manana fifandraisana amin’Andriamanitra, raha tsy nandalo tamina fahateraham-baovao ! Mampieritreritra izany an !

Ny hoe ateraky „ny rano sy ny Fanahy” dia hoe mandray fiainam-baovao, noho ny finoana ny Tenin’Andriamanitra (ambaran’ny rano) sy ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra, izay miteraka io fahagagana io ao anatintsika. Avy amin’Andriamanitra izany fiainam-baovao izany, manjary zanak’Andriamanitra ireo izay mandray izany (Jaona 1:12, 13).

Aza mamita-tena àry isika : tsy mahavonjy an’iza na iza ny maha ao amina antoko-mpihira, na ny mitendry zava-maneno ao am-piangonana, na ny manatrika tsy tapaka fanompoam-pivavahana.

Tsy etỳ ivelany mantsy ny tena finoana kristiana, fa fanavaozana tanteraka ny ao anaty, fanavaozan’ny Fanahin’Andriamanitra ao amin’izay mino an’i Jesosy Kristy.

Inona no avaliko ny fanontanian’io evanjelista io ?