Alarobia 24 Marsa 2021

Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany. Efesiana 6:1

Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany. Ohabolana 22:6

 

Ankizy tsy mba nobedesina mihitsy

Nanan-janaka lahy maro i Davida mpanjaka. Anisan’ireo i Adonia, „lehilahy tsara tarehy tokoa”, izay mbola tsy notenenin-drainy mafy hatrizay niainany (1 Mpanjaka 1:6). Davida ve nanana fironam-pitiavana tamin’ity zanany ity, izay lehilahy tsara tarehy ? Sa mora tohina ve i Adonia, ka nosorohan’ny rainy ny hanome alahelo azy ?

Na izany na tsy izany, fanabeazana nisy lesoka izany, sady nisy fandeferana mahadiso, ary nazava ny vokany : nanjary niavonavona sy maimay te hisandratra i Adonia. Te handrombaka ny sezafiandrianana izy, ka voatery niditra an-tsehatra i Davida. Faharesena sy henatra izany, ho an’ity zanaka nihanta loatra ity, ary koa nanjary anton’alahelo ho an-drainy.

Ry ray aman-dreny kristiana, mampitandrina antsika Andriamanitra, amin’ny alalan’io ohatra io. Tsy manan-kery isika indraindray, hananarana ny zanatsika, na hanoherana azy, na dia hahasorena azy aza izany. Angamba isika mirehareha ao anatintsika noho ny amin’izy ireo, nefa aoka isika tsy hanana fahalemena ka hisoroka ny fifanatrehana aminy. Fitiavana diso toerana ny tsy fampianarana azy hankatò ary hanavaka ny tsara sy ny ratsy ; hanomana azy ho amina hoavy mampalahelo izany.

Ho amin’izany dia ilaina ireo foto-kevitra ara-Baiboly momba ny fanabeazana (Ohabolana 13:24 ; 23:13, 14), sady manampy antsika raha ampiharina am-paharanitan-tsaina. Mamaritra ny fetra ny Baiboly : „Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo… Ianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo” (Kolosiana 3:20, 21). Raha tsy mahafehy ny zanatsika intsony isika, dia aoka hanontany tena hoe nanaraka ireny hafatrafatra ireny ve. Ary ndao hivavaka mba ho feno herim-po sy ho hentitra ary hanana fitiavana, amin’ny fanabeazantsika ny zanatsika tsirairay, mba ho voninahitr’Andriamanitra ny fihetsik’izy ireo sy ny fitondrantenany.