Alakamisy 25 Marsa 2021

Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo. Asan’ny Apostoly 3:19

 

Ny fibebahana

Tsy fanenenana manoloana ny olona no lazain’io andinin-tSoratra masina io, tsy fanenenana manokana na iombonana, noho ny fahadisoana goavana vita teo amin’ny sehatra ara-pôlitika na ara-pivavahana. Fibebahana amin’Andriamanitra no tianay horesahina. Mitana toerana lehibe ao amin’ny Baiboly ny voambolana hoe „fibebahana”. Ny hoe mibebaka mantsy, ho an’ny olona tsirairay, dia fiaingana vaovao ho amina fifandraisana amin’Andriamanitra. Izany no votoatin’ny toritenin’i Jaona Mpanao batisa, avy eo ny an’i Jesosy Kristy mihitsy, ary farany, ny an’ireo apostoliny (Marka 1:4, 15 ; Lioka 24:47).

Ny fibebahana dia asan’Andriamanitra ao amin’ny fanahy. Izany dia fiovam-pisainana momba ny tena sy momba an’Andriamanitra. Tonga saina ny olona hoe mpanota, andaniny, ary hoe tsy te hanameloka azy Andriamanitra, ankilany, fa te hamela ny helony sy hanome azy ny fiainana mandrakizay.

Ny fibebahana dia mitarika ho amin’ny fiovam-po, izay tsy fiovana tsotra fotsiny eo amin’ny fihetsika etỳ ivelany tsy akory. Ny fiovam-po dia fanapahan-kevitra hiverin-dalana mba hanatona an’Andriamanitra. Izany no mahatonga ny apostoly Petera hanao antso hoe : „Mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo”.

Iza no tokony hibebaka ? Ny olona rehetra. Andriamanitra tokoa mantsy dia „mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka” (Asan’ny Apostoly 17:30). Ary „ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka” (Romana 2:4).

„Mibebaha ianareo… Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana ianareo” (Matio 3:2, 8). Ny hoe mamoa voa toy izany, dia ny miova fitondrantena : miova ny zavatra ataoko laharam-pamehana, mikatsaka hanao izay tian’Andriamanitra aho, fa tsy izay tiako intsony.