Zoma 26 Marsa 2021

Efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra. Titosy 2:11

Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo. Hebreo 4:7

 

Hetsiky ny isambatanolona

Olona maro no maniry hahita izao tontolo izao hanaiky ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy. Faniriana maha te hidera izany, ary Andriamanitra mihitsy aza no maniry ny olona rehetra ho voavonjy sy ho tonga amin’ny fahalalana ny marina (1 Timoty 2:4). Nefa asehon’ny Filazantsara fa na dia mitaona ny olona rehetra hino ny fitiavany aza Andriamanitra, dia tsy manery an’iza na iza handray io famonjena maimaimpoana io, fa manaja ny safidin’ny tsirairay. Omeny ny famelan-keloka sy ny fiainana mandrakizay ny olona tsirairay mino an’i Jesosy, Ilay Mpamonjy (Jaona 3:16).

Hoy Jesosy, indray andro, tamin’ireo olona nitady hamono Azy : „Tsy mety manatona Ahy ianareo, hanananareo fiainana” (Jaona 5:40). Nefa dia marobe ny porofo fa Izy no Ilay Mesia nampanantenaina ! Saingy tsy nanery Izy ; ary ankehitriny koa dia tsy manery Izy. Tonga tetỳ an-tany Izy mba hitady sy hamonjy ireo izay mahafantatra ny tenany ho very. Hoy Izy : „Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary” (Lioka 5:31). Koa ny famonjena, ny fiainana atolotry ny Filazantsaran’ny fahasoavana, dia natao ho an’ireo miaiky fa mararin’ny ota ka mila Mpamonjy !

Mba haha afaka anao, dia ekeo Jesosy ho Mpamonjinao ! Ny finoana dia hetsika ataon’ny isambatanolona, famaliana ny tolotra omen’Andriamanitra, Izay miandry anao hanokatra aminy ny fonao. Mandraka ankehitriny dia mbola manohy manao tsinontsinona ny fitiavan’i Jesosy izao tontolo nandà sy nanombo Azy teo amin’ny hazofijaliana izao. Mahari-po anefa Andriamanitra, ka mbola miantso ireo rehetra maniry hanatona Azy, amin’ny alalan’i Jesosy.