Asabotsy 27 Marsa 2021

(Hoy Jesosy :) Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. Apokalypsy 3:20

 

Ny fiombonana : miara-misakafo (5)

Ny fiaraha-misakafo, matetika, dia mifono hevitra an-tsary, satria ny fotoana fisakafoana dia tandrify indrindra mba hifanakalozana hevitra.

Araka izany, ao amina tantara maro ao amin’ny Baiboly, ny fotoana fisakafoana dia hararaotina hanaovana fifanakalozana, na koa fifampihavanana sy fanekena (Genesisy 18:8 sy 31:54 ; 2 Samoela 9:13). Izany hevitra an-tsary izany dia tena mazava rehefa ny Tompo mihitsy no iarahana misakafo. Amin’izay no miseho ny fiombonantsika aminy.

Te hiresaka amintsika ny Tompo, mandondòna eo am-baravarantsika Izy, mietry mihitsy ka miteny amin’ny tsirairay hoe : Sokafy ny varavaran’ny fonao hidirako ! Nefa Izy tsy manery izay tsy maniry ny fanatrehany.

Tamin’ny andro nitsanganany tamin’ny maty dia niara-nandeha tamina mpianatra roa lahy Izy, nefa niandry azy ireo hanasa Azy, vao nijanona niaraka taminy. Koa rehefa tonga ny fotoana fisakafoana, dia nihiratra ny mason’izy ireo, ka nahafantatra izy ireo fa hay ny Tompo nitsangana tamin’ny maty io (Lioka 24:13-33).

Tena iainana manokana izany fiombonana izany, eo amin’ny fanompoam-panahy, rehefa ankalazaina ny Fanasan’ny Tompo (1 Korintiana 10:16). Misy ny atao hoe fiombonana „marindrano”, mampiray ireo rehetra mandray anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo : tombontsoa mitovy no azon’izy ireo amin’ny Tompo, ary mifamatotra izy ireo. Misy koa, ary alohan’ny zava-drehetra aza, ny fiombonana „mijidina”, izay mampiray ny tsirairay amin’ny Tompo, ka mampiray azy rehetra mitambatra (sarin’ny Fiangonana), mampiray azy ireo amin’i Kristy (Ilay Mpampakatra). Ny Fanasan’ny Tompo no fahatsiarovana Ilay nanolotra ny tenany hamonjy antsika. Tena mahatretrika ny fahafahana mandray anjara amin’izany !

(farany)