Alahady 28 Marsa 2021
Jesosy… nandray mofo, ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy : Ity no tenako ho anareo ; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy : Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako ; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo. 1 Korintiana 11:23-25
Nandritra ny fanompoam-panahy iray natrehinay dia tena tohina mihitsy izahay rehefa nifampizaranay ny Fanasan’ny Tompo. Tamin’ny fotoana nandraisana ny mofo, dia hontsa izahay noho ny fanginana sy ny fanajana lalina teo amin’ireo nandray izany. Ranomason’olona maro no nanganohano, ranomasom-pankasitrahana noho ny fitiavan’i Jesosy, Izay nanolotra ny ainy ho azy ireo.
Nanambara ny hevitr’io sakafom-pahatsiarovana io tamin’ny fiangonana tao Korinto ny apostoly Paoly, ary avy eo, nanonona teny mafonja hoe : „Na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo, mandra-piaviny” (1 Korintiana 11:26). Tsy fombafombam-pivavahana ny Fanasan’ny Tompo, fa famalian’ny fon’ny mpino ny fanirian’ny Tompo Jesosy. Ny Fanasan’ny Tompo dia manome voninahitra an’i Kristy, sy miteny amintsika ny fitiavany, ny sorona nataony, ny hazofijaliany. Ny Fanasan’ny Tompo dia manambara amin’ireo izay mahita antsika fa maty ho antsika Jesosy, ary maty ho azy ireo koa. Ny mandray ny mofo sy misotro amin’ny kapoaka dia fihetsika tsy an-kiteny, nefa tena miteny ho azy.
Nangatahin’i Jesosy isika mba hankalaza io fahatsiarovana io, mba tsy ho hadino ny fijaliany, ny fahafatesany, ny rany nilatsaka, ary mba ho ao an-tsaina sy ho ao am-pon’ny kristiana mandrakariva ny sorona nataony. Ireo fihetsika fankalazana ireo dia mampisongadina ny fitiavana nasehon’i Kristy ho antsika, tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Toy inona moa no tokony ho fankasitrahantsika izany !
Hataoko ahoana ny tsy hisaotra Anao
Noho ny mofo sy ny kapoaka,
Hataoko ahoana ny tsy hanolotra ny fiainako
Ho Anao Izay nitia ahy tsy misy fetra !