Alatsinainy 29 Marsa 2021
Maty hamonjy ny olona rehetra Izy (Jesosy), mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy. 2 Korintiana 5:15
Tsy manana afa-tsy fiainana tokana isika, ary hisy fiafarany izy io ! Koa zava-dehibe ny hahombiazany. Nefa inona moa no atao hoe fiainana mahomby ? ary ahoana no hahatongavana amin’izany ? Nisy dokambarotra iray nilaza fa izay tsy manana famantaranandro mirenty eny amin’ny tanany, eo amin’ny faha-50 taonany, dia tsy nahomby teo amin’ny fiainany… Manontany Jesosy hoe : „Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy (na ny fanahiny) ?” (Matio 16:26). Manambara ihany koa Izy hoe : „Izay mino [Ahy] no manana fiainana mandrakizay” (Jaona 6:47). Nefa na dia mpino aza, dia mety „tsy hahomby eo amin’ny fiainany” koa !
Araka izany ny Baiboly dia mampiseho amintsika tombana nataona mpino roa momba ny fiainany.
Hoy i Jakoba : „Sady vitsy no ratsy ny andro niainako” (Genesisy 47:9). Teo amin’ny faha-130 taonany dia nilaza izy fa fohy ny androny ! Mpino izy ; nefa voatery niaiky tamin’alahelo fa be loatra ny niainany araka ny sitrapony manokana. Na izany aza anefa, dia nanam-piadanana izy. Ary tamin’ny fotoana farany nahavelomany dia „nivavaka izy, niankina tamin’ny lohan’ny tehiny” (Hebreo 11:21).
Ny apostoly Paoly dia nanokana ny fiainany manontolo hanompoana an’i Jesosy Kristy Mpamonjiny. „Fa Kristy no anton’ny ahavelomako”, hoy ny nosoratany (Filipiana 1:21). Teo amin’ny fotoana nanaovany tombana, dia afaka niteny izy hoe : „Efa mby akaiky ny andro fialàko. Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho ; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay” (2 Timoty 4:6-8). Nahatsiaro tena ho sambatra izy, afaka nanompo ny Tompony.
Velona ho an’ny tena, na velona ho an’i Jesosy Kristy : tena samy hafa ireo !