Talata 30 Marsa 2021
Ny vehivavy anti-panahy koa anaro… mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany, hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny. Titosy 2:3-5
Ny fitiavana, mahari-po sady mora fanahy ; ny fitiavana… tsy mitady ny azy, … manantena ny zavatra rehetra. 1 Korintiana 13:4-7
Nivady efa folo taona izao i Benja sy Filao, ary manan-janaka efatra. Nifankatia fatratra izy ireo fahiny, saingy nanjary nifanalavitra tsikelikely. Betsaka kokoa ny fotoana lanin’i Benja eo amin’ny solosaina noho ny iarahany amin’ny ankohonany ; niha navesatra kokoa hatrany ho an’i Filao ny andraikitra ao an-tokantrano. Androany izy dia namboraka ny tao am-pony tamina namana kristiana zokiny kokoa. Ary hoy izy tam-pangidiana, namarana ny teniny : „Na izany na tsy izany, tsy tiako intsony izy”.
Nangoraka azy ilay namany, nihaino azy, ary namaly hoe :
„Heverinao ve fa ny mahatsapa ny fitiavana toy ny tamin’ny voalohany ihany no atao hoe tia ny vadiny ? Koa raha izany, nahoana Andriamanitra no hangataka ny vehivavy anti-panahy mba hampianatra ny tanora ho tia ny vadiny ? Ilaina ianarana ny hoe tia ny vadiny ! Tsy toetra miandry fotsiny izany, fa hetsika manokana sy iniana atao, fikarohana amin’ny fomba mivaingana, iainana isanandro. Ambaran’ny apostoly Paoly fa ny tena fitiavana dia „tsy mitady ny azy”. Aza lany andro mamisavisa izay mandiso fanantenana anao, fa angataho isanandro amin’ny Tomponao ny hery hampiharanao io foto-kevitra tsotra io, sy hanilihanao ny fitiavan-tena mahatonga anao ho ory. Ary mivavaha ho an’ny vadinao, angataho Andriamanitra mba hanampy anao hanao izay hahasambatra ny vadinao ; dia ho hafa ny fomba fijerinao azy, ary ianao koa ho sambatra kokoa. Dia Andriamanitra mihitsy no hiasa ao anatiny, mba hamerina fifandraisana mahatretrika eo aminareo, ho fahasambarana ao an-tokantranonareo sy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.”