Alarobia 31 Marsa 2021
Jesosy Kristy… Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:20
Raha ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. Jaona 8:36
Ankizy nampijalian’ny raikeliny i Jason, ka nitady fialofana tao amin’ny fanatanjahantena. Ny lalao baolina lavalava no nataony fandosirana teo amin’ny fiainany, izay tena mafy aoka izany. Rehefa 17 taona izy dia nandositra niala tao an-tranony, ary latsaka tao anaty vahohon’ny zava-pisotro mahamamo. „Nisy zavatra nokarohiko”, hoy izy. „Nitady ny fahasambarana aho tao amin’ny vola, ny fananan-karena, ny zava-pisotro mahamamo, ny fifandraisana aman’olona. Nefa tsy nisy nahafeno ny banga tato anatiko izany rehetra izany. Nanjary fialokalofako ny misotro, ka arakaraka ny nananako olana no nisotroako…”
Indray andro izy dia nifanena tamin’i Inga, mpilalao baolina lavalava vahiny, niresaka taminy ny fahasambarana hitany tao amin’ny fifandraisany manokana amin’i Jesosy Kristy. Nampahafantarin’i Inga azy fa ho afaka hanampy azy ny firesahana amin’Andriamanitra.
Nanjary liana te hahafantatra i Jason. Nahita an’i Inga tena tia mamaky Baiboly izy, ka te hiroso lalindalina kokoa : „Ahoana àry no mahatonga io lehilahy io ho falifaly toy izao ?” Nihalalina ny fifanakalozan’izy roa lahy. Tsapan’i Jason fa tsy maintsy mifantina izay zavatra ataony eo amin’ny fiainany izy : „Tsy vitako intsony ny mbola hanao toy izao. Tsy te hiaina toy izao intsony aho, mila fanampiana aho.” Nanova zavatra tanteraka ny resaka iray nifanaovany tamin’ilay namany, niafara tamin’ny fanontaniana hoe : „Tianao ve ny hanasa an’i Jesosy mba hiditra ao am-ponao ?” Nanaiky i Jason. „Tamin’izay maraina izay aho dia nangataka an’i Jesosy mba hiditra eo amin’ny fiainako. Tena natao ho ahy mihitsy ilay teniny hoe : ”Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana„ (Matio 11:28). Nanolotra ny fiainako ho an’ny Tompo Jesosy aho, tamin’izay fotoana izay, ka nahatsapa vesatra lehibe niala tamiko.”