Alakamisy 1 Avrily 2021

Maro ny hevitra ao am-pon’ny olona ; fa ny fisainan’i Jehovah no haharitra. Ohabolana 19:21

Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra. Marka 7:37

 

Mahafantatra fa tian’Andriamanitra

Iza amintsika no tsy tojo fanahiana, fahasahiranan-tsaina, fahoriana, fijaliana… eo amin’ny fiainany ? Ireo tena mpino marina dia faly mahafantatra fa tsy vintana jamba no mandahatra, amin’ny kisendrasendra, ny zava-mitranga eo amin’ny fiainantsika. Andriamanitra mihitsy tokoa mantsy no miahy ny fiainantsika, Izy Izay mahafantatra ny zava-drehetra sy mahefa ny zava-drehetra. Manatanteraka vinavina feno ho an’ny voariny tsirairay Izy ! Ny Baiboly dia mitantara fiainan’olona akaiky an’Andriamanitra, nefa dia nijaly mafy. Tsy isika irery no azom-pijaliana. Hoy i Joba : „Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory ; ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy” (Joba 7:3). Jakoba dia tsy maintsy niaiky fa niteraka fangidiana maro teo aminy ireo fanapahan-kevitra noraisiny tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra. Hoy izy namintina izany : „Sady vitsy no ratsy ny andro niainako” (Genesisy 47:9).

Ny zava-mitranga eo amin’ny fiainana, na heverintsika ho tsara na ratsy, matoa mitranga dia satria avelan’Ilay Andriamanitsika, Izay fahazavana ary koa fitiavana (1 Jaona 4:8). Ary na ireo trangan-javatra heverintsika ho ratsy indrindra aza, dia avelan’Andriamanitra hiseho. Matetika Izy no maniry hiresaka amintsika sy hitarika antsika hanakaiky Azy bebe kokoa, amin’ny alalan’ny antsointsika hoe toejava-manohitra. Na inona na inona mitranga, dia aoka isika hianatra hitodika any aminy. Ny fahafantarana fa tian’Andriamanitra no fototra sy dikan’ny fiainan’ireo efa nandray ny famelan-keloka sy ny famonjena avy aminy, noho ny finoana an’i Jesosy Kristy. Afaka miantehitra amin’ny fahamoram-panahin’Andriamanitra sy ny fahendreny izy ireo, mba hahita fanampiana eo amin’ny fizahan-toetra mihatra aminy.