Zoma 2 Avrily 2021
Ary rehefa tonga teo amin’ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an’i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany, ary ny anankiray teo ankaviany. Ary hoy Jesosy : Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Lioka 23:33, 34
Ny ampitson’ny namonoana mpianatra 148 tany Kenya, izay kristiana ny ankamaroany (2 avrily 2015), dia nampita hafatra tamin’ireo nanatanteraka izany vonoan’olona mampihoron-koditra izany i Ciku Muriuki, mpanolotra fandaharana amina fampielezam-peo any amin’io firenena io, hoe :
„Mitonona ho tompon’andraikitra tamin’ny famonoana mpianatra 148 ianareo. Malahelo aho noho ireo fianakaviana rehetra namoy ny malalany. Heveriko fa ninianareo nosafidina ity vanimpotoanan’ny Paska ity, izay nanoloran’i Kristy ny ainy ho an’ny olona rehetra, ary ho anareo koa. Angamba tsy horaharahainareo izany… efa nisy olona hafa talohanareo, tsy niraharaha toy izany koa. Tamin’izay andro izay dia vahoaka feno hatezerana no naniratsira an’i Jesosy sy nitaky ny hamonoana Azy, ary miaramila romana no nandrora ny tavany, nikapoka Azy, nanisy satroka tsilo teo amin’ny lohany, ary nanombo Azy teo amin’ny hazofijaliana. Nefa izy ireo dia efa nahita ny fahagagana nataon’i Jesosy sy nandre ny teniny. Fa nahoana izy ireo no dia naneho hasiahana toy izany ? Nijery ireo mpamono Azy Jesosy ary nivavaka ho azy ireo, hoe : „Raiko ô, mamelà ny helony”. Tsy misy olona afaka mamono an’i Jesosy, fa Izy no nanolotra ny ainy an-tsitrapo. Sarany tsy nisy fetra no naloany ho antsika nanota, noho ny tsy fahalalana na fanahy iniana mihitsy.
Ho anareo no nahafatesan’i Kristy ; ho anareo koa, izay namono ny anadahiko sy rahavaviko kristiana. Mamela ny helokareo aho. Eny, renareo tsara izany : mamela ny helokareo aho. Arakaraka ny maha feno fankahalana ny fonareo, no tiako hamenoana fitiavana ny foko, tahaka an’i Jesosy… Maty Izy, nefa nitsangana ho velona indray. Ireo mpianatra novonoinareo ireo koa dia hitsangana ho velona indray, satria nampanantenaina izay mino an’i Jesosy Kristy ny fiainana mandrakizay… Ho anareo koa no nahafatesan’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana, ho famonjena anareo, raha mibebaka ianareo.”