Asabotsy 3 Avrily 2021
Jesosy dia naka an’i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny, ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana. Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava. Matio 17:1, 2
Ho an’ny mpianany, Jesosy dia Ilay Mesia tokony nanjaka amin’ny tany manontolo. Faminaniana maro no nanambara Azy. Nefa Jesosy dia nanompo ny voariny. Mihoatra noho izany aza, nilaza tamin’ny mpianany Izy fa holavin’ny fireneny, hijaly sy ho faty, ary hitsangana ho velona indray. Nefa io nandavana Azy io, tsy nanohintohina ny voninahiny ho avy, amin’ny maha Mpanjakan’ny mpanjaka Azy. Koa dia nasehony tamin’ireo izay akaiky Azy indrindra ny voninahiny, fotoana fohy talohan’ny hahatonga azy ireo ho vavolombelona manatri-maso ny henatra eo amin’ny hazofijaliana. Toejavatra roa tena mifanohitra tanteraka !
Tany an-tendrombohitra, ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro ; teo amin’ny hazofijaliana kosa, ny tarehiny dia simba ka ohatra ny tsy tarehin’olombelona akory (Isaia 52:14). Tany an-tendrombohitra, ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava ; teo amin’ny hazofijaliana, nanaovan’ny miaramila loka no fizaràny ny fitafiany. Tany an-tendrombohitra, niseho tamin’ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin’i Jesosy. Teo amin’ny hazofijaliana, nisy jiolahy roa nohomboana tamin’ny hazofijaliana teo an-daniny roa, fa ny olom-pantany rehetra… nijanona teny lavidavitra eny (Matio 17:3 ; 27:35, 38 ; Lioka 23:49). Tany an-tendrombohitra, nisy rahona mazava nanarona azy ireo. Teo amin’ny hazofijaliana, maizina ny tany rehetra. Farany, tany an-tendrombohitra, dia nivoaka tamin’ny fanginany Andriamanitra, ary injao, nisy feo avy tao amin’ny rahona, nanao hoe : Ity no Zanako malalako, Izay sitrako ; teo amin’ny hazofijaliana kosa, rehefa nifarana ny ora telo maizim-pito, dia niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe : „Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nahafoy Ahy Ianao ?” (Matio 27:45, 46).
Mitsaoka an’i Jesosy Kristy Tompontsika isika, noho ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana. Mitsaoka Azy isika, noho ny voninahiny : nitsangana tamin’ny maty Izy ankehitriny, ary mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra any an-danitra.