Alahady 4 Avrily 2021

Fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo ; ary mba hotorina amin’ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka, amin’ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. Lioka 24:46, 47

 

Andro iray miavaka tanteraka

Nanokatra vanimpotoana vaovao ny Filazantsara araka an’i Jaona toko faha-20 : nitsangana tamin’ny maty Kristy. Hanjary „andro voalohany amin’ny herinandro” ilay andro nantsoina hoe „ny ampitson’ny sabata” (Levitikosy 23:11, 15). Jesosy dia tsy Ilay mizotra mankany amin’ny hazofijaliana intsony, fa Ilay naharesy ny fahafatesana, Ilay Olona nitsangana tamin’ny maty.

Tamin’io andro io Izy dia nahita vehivavy iray nitomany teo akaikin’ny fasana nilevenany. Nantsoiny tamin’ny anarany izy io, nampiononiny, ary nanankinany hafatra tena manohina, manambara fanantenana.

Nisy mpianatra roa lahy niala tao Jerosalema, tamin’ny fo feno alahelo. Nizotra ho any amina tanàna kely iray antsoina hoe Emaosy izy ireo. Nanatona Jesosy ary niresaka taminy. Hiteny izy ireo ao aoriana kely, hoe : „Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy, ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika ?” (Lioka 24:32).

Ny harivan’io andro io ihany dia nivory tao amina toerana iray ny mpianatra, mailo ka nanidy ny varavarana. „Dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe : Fiadanana ho anareo. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo” (Jaona 20:19, 20). Nitondra fiadanana ho azy ireo Jesosy, fiadanana azony noho ny fampihavanana nataony tamin’ny rany teo amin’ny hazofijaliana (Kolosiana 1:20), fampihavanana miaraka amina fifaliana tsy misy fangarony.

Mbola tamin’io andro io koa ny Tompo no nihaona tamin’i Petera (Lioka 24:34), nanao dinika nitoetra ho tsiambaratelo teo amin’Ilay Mpampianatra sy ilay mpianany lavo. Eny, velona Jesosy. Tsy mba miaina izany ve isika ?