Alatsinainy 5 Avrily 2021
(Kristy) naharitra ny hazofijaliana, fa tsy nitandro henatra, … dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra. Hebreo 12:2
Ny teny ny amin’ny hazofijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. 1 Korintiana 1:18
„Tao amin’ny oniversite nampianarako dia nisy mpiara-miasa iray mpampianatra toekarena, nilaza tsotra fotsiny tamiko hoe : „Misy Andriamanitra, ary velona Jesosy Kristy”. Taitra aho ka tsy namaly akory, fa nieritreritra hoe : „Ity lehilahy ity mahafantatra”. Kristiana efa nateraka indray izy, manana ny ain’i Jesosy ao anatin’ny fony. Misy hoe Andriamanitra ? eny, azoko natao ihany ny hino izany ; saingy nampiany hoe : „Velona Jesosy Kristy” ! Niasa tao an-tsaiko io fehezanteny tsotra io, mandra-pahatonga ny fotoana nandrenesako toriteny ny amin’ny hazofijaliana, tamina fivoriana kristiana. Izay aho vao nahare filazana mazava tsara hoe : Mpanota avokoa ny olona rehetra, ary meloka avokoa, raha tsy manaiky an’i Kristy, Ilay maty ho anao teo amin’ny hazofijaliana ; te ho Mpamonjinao Izy.
Rehefa nifarana ny fotoana, dia niteny ilay mpitoriteny hoe : „Aoka hanangan-tanana ireo izay voakasik’izany hafatra ny amin’ny hazofijaliana izany —ireo izay nahatsapa tao am-pony (anisany aho) fa ho azy io hafatra io-, fa te hivavaka ho azy ireo aho”. Teo anivon’olona 400 aho, nahafantatra fa natao ho ahy ilay hafatra, saingy tsy nanangan-tanana. Fa tao anatin’ny foko lalina tao kosa dia nandray an’i Jesosy aho ary nateraka indray, tamin’io fotoana io. Namindra fo tamiko Andriamanitra, nangoraka ahy. Fantatro ankehitriny fa tsy nijanona tao am-pasana Jesosy, fantatro fa tsy afaka nanana fahefana aminy ny fahafatesana ; nitsangana ho velona indray Izy tamin’ny andro fahatelo, velona Izy ankehitriny, ary mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. Tsy manam-pahefana aminy intsony ny fahafatesana.”
HenriAmiko, fahadalana ve sa famonjena ny hazofijalian’i Kristy ?