Talata 6 Avrily 2021

Hoy Jesosy tamin’ny mpianany : Raha misy olona ta hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. Matio 16:24

 

Mitondra ny hazofijaliany

Matetika ny fiteny hoe „mitondra ny hazofijaliany” dia mahatonga hihevitra fa samy manana ny anjara fahasahiranany sy fijaliany avy ny olona tsirairay eto an-tany, mba hahitany fitia eo imason’Andriamanitra, rehefa any ankoatra.

Nefa rehefa niteny Jesosy hoe manaraka Azy ary „mitondra ny hazofijaliany”, ny resahiny amin’izany dia ny fomba romana fahizany, nanery ny olona voaheloka hohomboana, hilanja ny hazofijaliany mandra-pahatongany any amin’ny toerana hamonoana azy. „Ary Izy (Jesosy) nitondra ny hazofijaliany, dia nankany amin’ny tany… nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana” (Jaona 19:17, 18). Koa tamin’izany fotoana izany, rehefa mahita olona mandalo milanja hazofijaliana, dia zavatra roa loha no mazava ao an-tsaina :

— Tsy manintona azy intsony ny fahafinaretana entanin’ny fanahin’izao tontolo izao. Mizotra mankany amin’ny fahafatesana izy, ka tsy misy ilàny ireny fahafinaretana ireny intsony.

— Io olona io, na inona na inona fahaizany, dia tsy raharahain’ny fiarahamonina intsony, satria efa voaheloka. Tsy misy intsony, na inona na inona, andrasana aminy : tsy ilaina intsony izy.

Izany no tian’ny apostoly Paoly nolazaina rehefa nanambara hoe satria efa nampiraisina tamin’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana izy, dia tsy manan-draharaha amin’izao tontolo izao intsony ; ary izao tontolo izao koa, tsy manan-draharaha aminy intsony (Galatiana 6:14). Tsy misy intsony ifampiraharahan’i Paoly sy ity fiarahamonina tsy mila an’Andriamanitra ity.

Izany, ry kristiana, no fifandraisana ametrahan’ny hazofijalian’i Jesosy Kristy antsika, manoloana izao tontolo fehezin’i Satana izao. Anjarantsika ny miaina io fifandraisana io amin’ny fomba mivaingana, anjarantsika ny „mitondra ny hazofijaliantsika”, manara-dia an’i Jesosy. Tsy ho maty antoka isika, satria na maty aza isika, ny fiainantsika dia „miara-miafina amin’i Kristy, ao amin’Andriamanitra” (Kolosiana 3:3). Izany no hahatonga antsika ho vavolombelona mijoro, manambara an’i Jesosy eto amin’izao tontolo izao sy amin’ny olona rehetra manodidina antsika.