Alarobia 7 Avrily 2021

Toy ny fikarakaran’ny mpiandry ny ondriny… no hikarakarako ny ondriko… Izaho no hampandry azy, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ny very dia hotadiaviko, ny diso lalana haveriko, ny naratra hotsaboiko, ny malemy hohatanjahiko. Ezekiela 34:12, 15, 16

 

Ilay Mpiandry ondry

Jehovah, ao amin’ny Testamenta Taloha, tahaka an’i Jesosy, ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia matetika maneho ny tenany ho Ilay Mpiandry ondry. Izany sary mahazatra izany dia mampiseho tsara ny fomba fikarakaran’Andriamanitra ny olony. Miahy azy ireo Izy, miaro sy miandry azy. Eo amin’ny toerana mampidi-doza, dia mitari-dalana azy ireo Izy. Mitsabo ny feriny Izy, manome sakafo sy mampialoka azy. Ireo efa nahatsapa ny tenany ho toy ny ondry eo am-pelatanany dia manambara miharihary ny tsy fiovaovany sy ny fahamoram-panahiny. Teo amin’ny faramparan’ny fiainany, ny patriarka Jakoba, izay nahafantatra tsara ny atao hoe mpiandry ondry, dia niresaka momba Ilay Andriamanitra Izay Mpiandry azy (Genesisy 48:15). Nahatsapa tsara izy fa ondry tsy dia nankatò, fa Andriamanitra kosa dia mpiandry ondry nahatoky mandrakariva ho azy. Davida mpanjaka, izay mpiandry ondry koa taloha, dia afaka nanambara ny fatokiany, ao amin’ny Salamo 23, hoe : „Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho”.

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, noraisin’i Jesosy izany anarana izany mba hahatakarantsika hoe hatraiza ny fitiavany antsika : „Izaho no Mpiandry tsara ; ny Mpiandry tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry” (Jaona 10:11). Tsy misy manam-pitiavana lehibe tahaka Azy (Jaona 15:13). Ny vokatr’izany dia fifandraisana manokana eo amin’Ilay Mpiandry tsara sy ireo ondriny : fantany amin’ny anarany izy ireo, izay mahalala ny feony ka mihaino Azy. Sarobidy aminy izy ireo, novidiny lafo, ka tsy hisy handrombaka azy amin’ny tanany. „Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako” (Jaona 10:27, 28).