Alakamisy 8 Avrily 2021
Fa avy taminareo no nanenoan’ny tenin’ny Tompo… teny tontolo eny no nielezan’ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra. 1 Tesaloniana 1:8
(Hoy Jesosy :) Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Marka 13:31
Tany Rosia no nitranga ny tantara, tamin’ny taona 1980 tany ho any. Nisy kristiana vitsivitsy avy any Finlande, tompon’andraikitra tao amina radiô misionera iray, nahazo lalana handeha ho ao an-tanànan’i Riga. Nasaina fianakaviana iray hisakafo izy ireo, sy vehivavy zokiolona iray avy lavitra, tonga mba hihaona tamin’izy ireo. Tsy dia fandre firy ilay tantaran’io ramatoabe io.
Nipetra-drery tao amina tanàna lehibe iray any ambanivohitra izy. Indray hariva izy dia naharay ny fandaharan’ilay radiô misionera, ary sambany teo amin’ny fiainany no nihaino toriteny ara-pilazantsara. Rehefa tapitra ny fandaharana, dia novonoiny ny radiô, nakambany ny tanany, ary nandray an’i Jesosy ho Mpamonjiny izy.
Dia toy izany no niantombohan’ny fiainana kristiana, ho azy. Nanohy nihaino ny fandaharan’io radiô misionera io izy, ka afaka nahazo fampianarana ara-Baiboly. Nefa nisy eritreritra nibahana tao an-tsainy andro aman’alina. Dia izy irery ve no mpino tao amin’io faritra manontolo nisy azy io ? Sa misy olona hafa ? Tsy nahalala an’iza na iza izy.
Nitandrintandrina izy, nanomboka nanontanitany ny mpiray tanàna taminy. Fanontaniana iray tatsy, fanontaniana iray taroa. Fahagagana be ny azy, nahita vehivavy iray nanambara ny finoany an’i Jesosy Kristy ; avy eo fianakaviana iray, ary mbola nisy olona iray hafa koa… Hay nisy „fiangonana araka onjam-peo” tao amin’ilay tanàna ! Tsy izy irery no namaly ny antson’Andriamanitra, tonga taminy tamin’ny alalan’ny onjam-peo. Nanomboka hatreo izy dia afaka niara-niaina ny finoana kristiana tamin’olon-kafa.