Zoma 9 Avrily 2021
Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako. Isaia 43:4
Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny ; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy. Isaia 55:7
Ny fiarahamonina dia tsy mitsahatra manosika antsika hanaporofo ny fahaizantsika ; voatombana mandrakariva isika, any am-pianarana, any am-piasana. Dokafana ny tsara indrindra vita, na ara-panatanjahantena, na ara-javakanto, na ara-indostria… Ny „fahombiazana” eo amin’ny fiainana, matetika, dia refesina amin’ny zava-bita eo amin’ny asa fivelomana, na amin’ny ambaratonga eo amin’ny fiarahamonina. Io mari-pandrefesana ny soatoavina io no hitsarana antsika ho „manana ny maha izy azy” na tsia. Dia tsy ho „iza na iza intsony” ve izany isika, raha iharana zava-mandratra eo amin’ny fiainana : tsy fananana asa, aretina, fisaraham-panambadiana… ?
Ny vaovao mahafaly ambaran’ny Filazantsara dia hoe : tsy mila manao na inona na inona isika, mba ho „tena olona”, fa mino fotsiny ihany. Tia antsika tsy misy fepetra Andriamanitra. Hoy Izy amin’ny tsirairay : „Malala eo imasoko ianao !” Ny fitiavan’Andriamanitra dia tsy mba mitovy haavo amin’ny fihetsehampontsika olombelona, fihetsehampo mety mihena, mety maty, eny, mety mivadika ho fankahalana aza. Mifanohitra amin’izany kosa ny fitiavan’Andriamanitra, satria fandraisana sy tsy fiovaovana, samy tsy mety voahozongozona.
Ao amin’ny Filazantsara Jesosy dia miresaka ny tantara-na tovolahy iray nangataka tamin’ny rainy ny anjara lovany, ary lasa nandeha tany an-tany lavitra, nandany ny fananany rehetra tamin’ny fiveloman-dratsy. Avy eo izy dia nanenina tamin’ny safidiny ka niverina tany amin’ny rainy. Mbola tsy afaka niteny na inona na inona akory izy, dia efa nihazakazaka nanatona azy ny rainy ka namihina azy teo an-tratrany : tsy nisy fanomezan-tsiny, tsy nisy famaizana (Lioka 15:11-32).
Izany tantara izany dia maneho ny fitiavan’Andriamanitra antsika : fitiavana tsy miankina amin’izay ataontsika na tsy ataontsika. Toy izany Andriamanitra : tia mandrakariva Izy, ary tsy mitsahatra mamela heloka.
(rahampitso ny tohiny sady farany)