Asabotsy 10 Avrily 2021

Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao ahy ; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko ; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan’Andriamanitra no niara-niasa tamiko. 1 Korintiana 15:10

 

Mizotra mankany amina fiainam-baovao (2)

Hitantsika omaly ny fomba anomezan’ny fitiavan’Andriamanitra lanja tsy hay refesina ho an’izay mino. Noho io fitiavan’Andriamanitra io, dia tsy tokony hatahotra ny fijerin’ny hafa isika. Tsy tokony ho kivy koa isika amin’ny tsy fahombiazantsika ; afaka miarina isika, miainga indray, satria Andriamanitra dia mahatoky. Satria ny fitiavan’Andriamanitra no mitana ny toerana voalohany, dia tsy ilaintsika ny hiezaka hahazo io fitiavana io amin’ny alalana asa ara-pivavahana na asa soa. Izany no atao hoe famonjena noho „ny fahasoavana irery ihany”.

Tsy mendrika hahazo io fitiavana tsy manam-paharoa io isika, ka rehefa mandray azy io, dia tarihiny koa hitia : tia an’Andriamanitra sy ny namantsika isika, satria Andriamanitra efa tia antsika taloha (1 Jaona 4:19).

Araka izany, ny fahasoavan’Andriamanitra dia manosika antsika sy manome fiainam-baovao antsika. Mandresy ny tahotra mpahazo antsika isika ary miaina ny tena fahafahana, dia ilay fahafahan’ny olona nafahana… amin’ny hevitra mibahana hoe tokony hanaporofo ny fahaizantsika, nafahana amin’ny tebiteby hoe tsy hahomby, nafahana amin’ny fifaninanana tsy mitsahatra manery antsika hahavita ny be indrindra… Ny hoe mino izay lazain’Andriamanitra, dia ny manaiky hofenoin’ny herin’ny fahasoavana.

Ary koa, satria fantatsika fa tiana isika, dia afaka misaotra sy midera an’Andriamanitra noho ny fahasoavany amintsika, indrindra amin’ny fanompoam-panahy. Mazava ho azy fa tsy hahavaly na oviana na oviana araka izay noraisintsika isika, nefa kosa hankasitraka bebe kokoa hatrany an’Andriamanitra, Izay mitantana antsika sy miaraka amintsika eo amin’ny lalan’ny fiainana.

(araka an’i Frédéric Rognon)