Alahady 11 Avrily 2021

Teo amin’izao tontolo izao Izy (Jesosy), ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy. Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany. Jaona 1:10-12

 

Zon’olombelona sy zon’Andriamanitra

Ny „Fanambarana ny zon’olombelona” dia petra-tsoratra fototra eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao. Ireo hevi-dehibe momba ny fahafahana, ny fanajana ny hevitra tsy mitovy, ny fitoviana eo anatrehan’ny lalàna, izay toa mazava be amintsika ankehitriny, dia tsy toy izany velively, taonjato roa mahery lasa izay.

Ny fampidirana io petra-tsoratra io dia manambara mafy fa „ny tsy fahafantarana, na ny fanadinoana, na ny fanaovana tsinontsinona ny zon’olombelona no hany antony mahatonga ny fahorian’ny besinimaro”. Apetratsika ny fanontaniana hoe : tsy mbola hadinoina bebe kokoa ve ny zon’Andriamanitra ? Tsy io tsy fahafantarana sy fanaovana tsinontsinona ny zon’Andriamanitra io indrindra ve no antony voalohany mampitondra fahoriana ny zanak’olombelona ?

Eny, Andriamanitra dia manana zo, ary matetika loatra izy ireo no zimbazimbaina. Izy ireo dia zon’Ilay nahary ny olombelona. Andriamanitra dia nametraka ihany koa lalàna ara-pitondrantena, nampanoratiny ao amin’ny Baiboly. Ny tanjon’izy ireo dia ny hamatotra ny fahasambaran’ny voary amin’ny voninahitra tokony homena Ilay Mpahary. Maro ny olona tsy mahita ao amin’ireo lalàna ireo afa-tsy fanohintohinana ny fahafahany. Raha tsy hitanisa afa-tsy santionany vitsivitsy isika, ankehitriny ireo lalàna momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia ezahina hialana amin’ny fomba maro ! Ankoatra izany, Andriamanitra dia manana ihany koa zo mifamatotra amin’ny fitiavany. Mba hamonjeny ny olona voagejan’ny fahefan’ny devoly, dia tsy nitsimbina ny Zanany Izy, fa nanolotra Azy ho antsika rehetra (Romana 8:32). Fanomezana toy izany ve tsy manome an’Andriamanitra zo amin’ireo tiany, izany hoe amiko sy aminao ?