Alatsinainy 12 Avrily 2021
Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin’izay ho very izany, izay nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao, dia ny sain’ny tsy mino. 2 Korintiana 4:3, 4
Zavatra iray loha ihany no fantatro : jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao. Jaona 9:25
Tantarain’ny Filazantsara amintsika ny fihaonan’i Jesosy tamina lehilahy iray teraka jamba. Mpangataka io lehilahy io, noho izy tsy afaka niasa. Tsy nisy nantenaina ny momba azy, satria tsy nanana fanafody hanasitranana ny masony ny mpitsabo. Nefa Jesosy dia tia ilay jamba. Nanatona azy Izy, te hanasitrana azy.
Tahaka io mpangataka io, dia lehilahy sy vehivavy maro no jamba ara-panahy, satria tsy mahafantatra an’Andriamanitra na ireo fiheviny. Mandà tsy hino Ilay Mpahary izy ireny, ary te hiaina toy ny hoe tsy misy Andriamanitra. Faniratsirana Azy anie izany e !
Na izany aza, Andriamanitra dia tia ny olona rehetra. Nataony sorona Jesosy Kristy Zanany hamonjy azy ireo, izay meloka eo anatrehany ka mendrika famaizana mandrakizay. Mandraka ankehitriny Izy dia mbola mitady azy ireo, mbola miantso azy sy manolotra famelan-keloka ho azy. Maniry Izy hampihiratra ny mason’izy ireo ary hanome azy ny fiainana mandrakizay, amin’ny alalan’i Jesosy sy miaraka aminy. Noho ny fitiavany, dia tiany hanjary zanany ho mandrakizay izy ireo.
Mba hanasitranany ilay jamba, dia nasian’i Jesosy fotaka teo amin’ny masony, ary nasainy nisasa izy. Izany fangatahany izany no nitsapany ny finoany. Nankatò ilay jamba, naneho tamin’izany fa mino ny tenin’i Jesosy. Nosasany ny masony : ary teo dia fahagagana ! Nahita izy, sitrana.
Fantatrao ve fa Jesosy dia te hanokatra ny mason’ny fonao ?
„Ny tena Mazava, Izay mahazava ny olona rehetra, [dia] tonga amin’izao tontolo izao” (Jaona 1:9). „Izaho tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay rehetra mino Ahy” (Jaona 12:46).