Talata 13 Avrily 2021

Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny ; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava. Efesiana 5:8

 

Fantatrao ve ny atao hoe „héliostat” ?

Ny „héliostat” (mpandraikitra tanamasoandro) dia „fitaovana ahafahana manaraka ny fizotran’ny masoandro, mba hamiliana ny tarany ho amina teboka na velarana iray voafaritra, amin’ny alalana fitaratra… Misy tanàna kely milentika anaty hadibe, tahaka an’i Viganella any Italia na i Rjukan any Norvezy, nametraka ”héliostat„ eny amin’ny toerana avo mba handefa fahazavan’ny masoandro eo an-kianjan’ny tanàna rehefa àty ririnina” (araka ny lazain’ny Wikipédia). Mitoetra ao anaty haizina ireny tanàna ireny, raha tsy misy „héliostat” manazava mandritra ny ora maro isanandro, amin’ny alalan’ireo fitaratra manaraka ny fihetsiky ny masoandro.

Tsy tokony ho toy izany koa ve isika kristiana ? Mitaona antsika Jesosy hoe : „Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo, Izay any an-danitra” (Matio 5:16). Ampirisihiny isika hamaly ny fankahalana amin’ny fitiavana, ny fanesoana amin’ny hatsaram-panahy, ampirisihiny hanana fahari-po ao anaty fizahan-toetra sy ho tony rehefa fotoana misy fifandirana.

Hoy koa Jesosy : „Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12). Ny fahazavantsika dia tokony ho taratry ny maha Izy Azy an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Tsy ilaina ireo fitaratra any Rjukan na Viganella, raha tsy misy masoandro ; dia toy izany koa, tsy afaka hanao na inona na inona isika, raha tsy mitodika any amin’i Jesosy, amin’ny alalan’ny finoana. Izao no nolazaina mantsy ireo mpianatra voalohany : „Fantany tsara fa efa niaraka tamin’i Jesosy izy roa lahy” (Asan’ny Apostoly 4:13). Raha mivelona mifanerasera amin’i Jesosy isika, amin’ny alalan’ny finoana, dia ho hitan’ny hafa izany. Hanazava azy ireny ny fahazavan’ny aina !