Alarobia 14 Avrily 2021

Maty hamonjy ny olona rehetra Izy (Kristy), mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy. 2 Korintiana 5:15

 

Ny fiheverako an’i Jesosy taloha, ny fandraisako Azy amin’izao fotoana izao

„Nanaraka ny fivavahan’ny fianakaviako aho teo aloha, ary nanameloka fatratra ny tontolo kristiana. Tamin’izaho 18 taona dia nisy vehivavy kristiana niresaka tamiko, teo amina trano heva fampirantiana Baiboly. Tsy nahafantatra na inona na inona momba ny Baiboly aho, afa-tsy hoe „hosoka” izy, araka ny nampahalalana ahy. Nampianarina ahy fa lazain’ny kristiana hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy ; ary tamiko dia fitenenan-dratsy an’Andriamanitra izany. Olona ihany Jesosy ; marina fa mpaminany Izy, saingy noarìna tahaka an’i Adama.

Tapa-kevitra aho hianatra ny Baiboly sy hampitaha azy amina boky fivavahana hafa.

Arakaraka ny namakiako azy no nahatsapako fa hafa noho izay noheveriko izy ; ary indrindra, diso ny fisainako momba an’i Jesosy. Noraisiko ho vahiny sy mpamitaka Izy taloha, nefa nanjary olona tsy manam-paharoa amiko, ankehitriny ! Iza no toa Azy, nampionona ny mahantra, nandray ireo nailika, nampahamaivana ny fahorian’ireo niharan’ny tsindrihazolena ? Iza no toa Azy, niteny tam-pahatsorana sy fahamarinana momba an’Andriamanitra, Izay tia ny olona rehetra ? Ary indrindra, iza no toa Azy, naneho Ilay Andriamanitra sy Rain’ireo rehetra nametraka ny fitokiany aminy ? Tatỳ aoriana dia nanatrika fivoriana kristiana aho. Nanampy ahy hahatakatra ny Filazantsaran’ny famonjena izany. Nanohina ny foko ny fitiavan’Andriamanitra naseho teo amin’ny hazofijaliana, izaho izay tsy nahafantatra afa-tsy Andriamanitra tsitoha, tsy mamindra fo amin’ny mpanota. Fa ankehitriny kosa dia Jesosy Kristy no Mpamonjiko sy Tompoko. Nanenika ny foko ny fiadanana ! Fantatro Andriamanitra, amin’ny maha Raiko any an-danitra Azy, ary izany dia noho Jesosy, nohomboana teo amin’ny hazofijaliana sy nitsangana tamin’ny maty hamonjy ahy.”

Jamel