Alakamisy 15 Avrily 2021

Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha. Efesiana 2:8, 9

 

Mino… araka izay heverin’ny tena ! (1)

Re matetika ny fiteny hoe : „Mino araka izay heveriko aho, manana ny fivavahako aho”-valinteny tsotsotra, mba hanilihana ireo fanontaniana fototra. Samy mamorona fivavahana manokana ho an’ny tenany ny tsirairay, fivavahana tsy dia manelingelina azy loatra, fa toa mandamina aza. Araka izany dia nisy nazi iray mpandringana olona, nilaza fa mino andriamanitra „tsy mitsara ny ota sy tsy manameloka an’iza na iza”.

Fa tsy mampidi-doza ve ny mifototra amin’ny fiheveran’ny tena manokana, ka tsy mitady hahafantatra izay fihevitr’Andriamanitra ?

Kaina sy Abela dia mpirahalahy nino an’Andriamanitra. Samy te hanao fanatitra ho Azy izy roa lahy : Abela nanolotra zanak’ondry avy tamin’ny andian’ondriny ; Kaina kosa nanatona an’Andriamanitra „araka ny fiheverany”, nitondra ny voankazo sy anana vokatra teo amin’ny sahany, ireo izay tsara indrindra tamin’ny namboleny, angamba. Saingy tsy neken’Andriamanitra ny fanatitra nataony ; tsy noraharahain’i Kaina ny nolazain’Andriamanitra hoe : „Voaozona ny tany” (Genesisy 3:17). Ny sorona hany azon’Andriamanitra nekena dia zanak’ondry, manambara mialoha „ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Jaona 1:29), izany hoe Jesosy, natolotra ho famonjena ny olona.

Ahoana ny fiheveranao olona iray mangataka fihaonana amin’ny filoham-pirenena, nefa tsy manaraka ny fitsipika hanatanterahana izany ? Ho voaray ve izy ? Andriamanitra anefa dia milaza amintsika, ao amin’ny Baiboly, ny fomba tsotra hanatonana Azy. Inona hoy Izy ? Tokana ihany ny fomba hanatonana Azy : tsy amin’ny alalan’ny asantsika, na dia tsara toy inona aza ireo, fa amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. „Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako”, hoy ny nambarany (Jaona 14:6).

(hitohy amin’ny heriny sy amin’ny tapa-bolana)