Zoma 16 Avrily 2021
Noho ny habeazan’ny fampahoriana no itarainan’ny olona ; … nefa tsy misy manao hoe : Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin’ny alina ? Joba 35:9, 10
Mba hahatezitra mafy an’i Jesosy angamba no nitantarana taminy trangan-javatra iray mampihoron-koditra, dia Pilato nampamono Galiliana maro sy nampiharoharo ny ran’izy ireo tamin’ny fanatitra nataony. Namaly izany Jesosy, nitantara zava-nitranga iray hafa tsy nisy nidiran’ny faharatsian’ny olombelona : „Ireny valo ambin’ny folo ireny, izay nianjeran’ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny ? Tsia, hoy Izaho aminareo” (Lioka 13:1-5). Nasehon’i Jesosy tamin’izany fa tsy voatery ampifandraisina amina famaizan’Andriamanitra ny zava-doza iray miseho.
Mandraka ankehitriny dia mbola fanao ny mitady dikan’ireo trangan-javatra ratsy, ary mahatonga resa-be, satria mahavery hevitra sy mameno tebiteby ny tsirairay ireo loza ara-boajanahary sy loza tampoka.
Tsy namaly mivantana ny fanontaniana Jesosy ; ny tena zava-dehibe no nolazainy, hoe : „Raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra” (Lioka 13:5). Firifiry moa, ankehitriny, ireo izay te hanadina an’Andriamanitra momba ny fisian’ny ratsy sy ny fijaliana eto an-tany ? Tsy tokony hanao tatitra amintsika tsy akory Izy, fa mampitandrina ny tsirairay kosa mba handositra ny fitsarana mampivarahontsana natokana ho an’ny olona rehetra, satria tsy nisy nankatò Azy izy ireo. Ary atorony ny fomba hahazoana famonjena, dia ny fibebahana sy ny finoana ny sorona nataon’i Jesosy Kristy.
Inona no havalintsika ny fahasoavan’Andriamanitra, fahasoavana manolotra famonjena ho an’izay mibebaka ? Aoka isika tsy ho diso olana, fa hifantoka amin’ireo fampitandreman’Andriamanitra : mialoha ny zavatra rehetra, dia tokony ho voavonjy isika, ary azo atao tsara izany !