Asabotsy 17 Avrily 2021
Raha hatao amin’ny mizana izy, dia maivana ; zava-poana mihitsy izy. Salamo 62:9
Efa voalanja tamin’ny mizana ianao ka, indro, latsa-danja. Daniela 5:27
Ity tantara ao amin’ny Baiboly ity dia mitantara ny zava-niseho tamin’ilay alina tsy hay hadinoina niomanan’ny miaramila persiana hanafika tampoka ny tanànan’i Babylona. Nanao fanasana lehibe tao an-dapa ny mpanjaka Belsazara, nanasa ny tandapany rehetra. Tampoka teo dia nisy zavatra nampatahotra nitranga : nisy rantsantanan’olona nanoratra teny efatra teo amin’ny rindrina, ary avy eo nanjavona… „Voaisa, voaisa, voalanja, zarazaraina !” Teny efatra nohazavain’i Daniela, nanambara fa hovonoin’Andriamanitra ny mpanjaka ary hatolony ireo fahavalony i Babylona. Tapitra teo ny fiainan’ny mpanjaka. Nolanjaina teo amin’ny mizanan’Andriamanitra ity mpanjaka mahery ity, ka hita fa maivana loatra. Hozarazaraina ny fanjakany, ka homena ny Midiana sy ny Persiana. Io alina io ihany dia tanteraka ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Mirakitra izany no hany azon’ny tantara natao.
Nolanjaina ka hita fa maivana loatra ! Tsy mampisaintsaina fatratra ve ny mahafantatra fa Andriamanitra dia manana mizana tsy mety diso, anombanany ny lanjan’ireo asa sy teny ary eritreritsika ? Aza mihevitra ho ampy lanja, satria hoe manam-pahaizana ara-boajanahary sy finiavana, ary mifandray tsara amin’ny mpiara-monina sy manao asa soa ! Fa inona loatra moa no zava-dehibe aoka izany eo amin’ny lelamizanan’Andriamanitra etsy ankilany, ka tsy ahafahantsika ho ampy lanja ? Jesosy Kristy, ny maha Izy Azy, ary ny asany. Raha oharina amin’ny halavorarin’ny Kristy, dia tsy misy lanjany izay rehetra avy amin’ny olona, na inona na inona. Ahoana àry no hahitana fitia eo imason’Andriamanitra ? Miseho eo anatrehany, mahatsapa fa tsinontsinona, nefa manana antoka fa izay mino an’i Jesosy dia tafiany amin’ny halavorariny ara-toe-panahy, halavorary hany mahatanteraka ny zavatra takian’Andriamanitra.