Alahady 18 Avrily 2021
Dia nolanjainy ny karamako, ka sekely volafotsy telopolo. Ary hoy Jehovah tamiko : Atsipazo amin’ny mpanefy tanimanga izany vola be nanombanany Ahy izany (faminaniana momba an’i Jesosy, Izay namidin’i Jodasy). Zakaria 11:12, 13
Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo. 1 Korintiana 6:20
Ny sandan’ny olombelona ve ? … Tena miovaova ! Samy hafa, arakaraka ny firenena, ny anombanan’ny tranom-piantohana izany. Ireo fikambanana goavana manaraka lalao baolina kitra dia vonona handoa vola tsy toko tsy forohana mba hividianana mpilalao iray. Mifanohitra amin’izany kosa, misy mpitondra manao didy jadona, tsy misalasala mamono lehilahy, vehivavy, ankizy —toy ny hoe tsy misy dikany ny ain’izy ireny.
Jesosy mihitsy aza dia notombanana sekely telopolo, vidin’ny andevo iray. Izany no vola noraisin’i Jodasy tamin’ny nanolorany Azy tamin’ireo mpitondra fivavahana tamin’izany fotoana izany. Namintina izany ny mpaminany iray, hoe : „Natao tsinontsinona Izy” (Isaia 53:3). Fanaovana tsinontsinona lalina izany, sady fankahalana, ary niafara tamin’ny nanomboana an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesany ny olona.
Fa Jesosy kosa, tamin’ny fijaliana nozakainy teo amin’ny hazofijaliana, dia nanefa ny sanda goavana nanavotany ny olombelona. Izy no niharan’ny zavatra rehetra : ny fandaozan’Andriamanitra, ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny ota, ny fahafatesana. „Jesosy… nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” (1 Timoty 2:5, 6). Io andinin-tSoratra Masina io dia mampahatsiahy antsika fa novidina lafo ny mpino : tamin’ny ain’i Kristy, tamin’ny rany nalatsaka teo amin’ny hazofijaliana. „Tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala… fa ny ra soan’i Kristy” (1 Petera 1:18, 19).
Neken’Andriamanitra izany sorona izany, izay nahafeno tanteraka ny takian’ny fahamasinany sy ny fahamarinany. Aza lavintsika ny fahasoavany, fa fanaovana tsinontsinona izay nataon’i Jesosy izany. Mifamatra amin’ny fitiavany, izany hoe tsy misy fetra, ny sanda nefainy mba hamonjena antsika. Aoka isika hahatsapa ny lanja omeny antsika eo imasony, ka hiezaka hanao ny sitrapony.