Alatsinainy 19 Avrily 2021

Fa Kristy no anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony. Filipiana 1:21

Mitadiava an’i Jehovah, … [Ilay] mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina. Amosa 5:6, 8

 

Ary raha ho faty izao ankehitriny izao moa aho ?

„Noheveriko mandrakariva Andriamanitra hoe toa tena lavitra. Nefa rehefa maty ny raiko, noho ny homamiadana nihanaka eran’ny tenany, ary fotoana vitsy taorianan’izany, maty koa ny rahalahiko, tamina lozam-pifamoivoizana, dia tsy haiko nialana intsony ny fanontaniana hoe inona moa ny fahafatesana ? Nangorohoro mafy aho, satria tsy maintsy ho faty indray andro any. Nanontany tena aho hoe : „Raha maty moa aho izao ankehitriny izao, dia ho aiza ?” Fantatro ny ampianarin’ny Baiboly : tsy voavonjy aho, raha maty izao dia izao. Tokony „hihavana” amin’Andriamanitra aho, mba hahazoako antoka fa manana fiainana mandrakizay.

Namonjy lasy-na tanora kristiana aho ny lohataona manaraka, nanantena hahita ilay fiadanana nokatsahiko fatratra. Ela niandrasana aho, ka rehefa tany dia nahatakatra ny hafatry ny Baiboly : maty Kristy mba hampihavana ahy amin’Andriamanitra Ray sy hanome ahy ny fiadanany. Nitondra ireo fahadisoako Izy ary nisolo toerana ahy, niaritra ny famaizana sahaza ahy. Nafindra tamin’i Kristy, teo amin’ny hazofijaliana, ireo fahotako, ka Izy no voaheloka noho ireo, Izy Ilay tsy nanan-tsiny. Takatro tamin’ny alalan’ny finoana ny nataon’i Kristy ho ahy, tsapako ny fitiavan’Andriamanitra ahy, ka niova tanteraka ny fiainako. Nikiky ahy ny tahotra ny fahafatesana, taloha, fa ankehitriny kosa dia Kristy no fiainako, ka ny hany azoko lazaina, toy ny apostoly Paoly, dia hoe : „Ny fahafatesana no hahazoako tombony”, satria fantatro izay halehako aorianan’izao fiainana eto an-tany izao : eo anilan’Ilay Mpahary sy Mpamonjy ahy, Izay nitia ahy fatratra ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.”

David