Talata 20 Avrily 2021
Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry. Salamo 90:12
Hoy ny tompony taminy : Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky ; nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be ; midira amin’ny fifalian’ny tomponao. Matio 25:21
„Tsingerin-taona nahaterahako androany… Miampy hatrany ny androntsika, tsy mitsahatra mihafaingana kokoa ; ary tsy hifarana izany fitombony izany raha tsy amin’ny fotoana hiantsoan’Ilay Raintsika any an-danitra antsika ho eo aminy. Nefa ao anatin’izany andro misesisesy tsy ankijanona izany, dia mety ho hadinontsika ny lanja tsy manam-paharoa ananan’ny andro androany !
Toa tsapantsika ho mandositra antsika ny fotoana, ary miha tsy ampy hatrany. Ny anton’izany angamba dia satria isika mandanilany foana ora maro amin-javatra tsy dia ilaina akory, na tsy araka ny faniriantsika lalina —ho antsika kristiana-, dia ny hanaraka ny antson’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika.
Matetika isika dia tafahitsoka ao anaty fahazarana feno zava-poana. Fa Jesosy kosa te hamotika ireny fandrika mangeja antsika ireny, fandrika mampamerimberina antsika zavatra mitovy foana, fandrika mandanilany fotsiny ny fotoanantsika. Rehefa mamaky ny Filazantsara isika, dia mahita fa manova ny fiainana ny fihaonana amin’i Jesosy. Niova ny fiainantsika rehefa nino ny Tompo Jesosy isika, nefa tsy tamin’io fotoana io fotsiny, fa isanandro isika dia afaka miaina izany fiovana izany.
Ndao hiverina hamaky ny fanoharana momba ny talenta, ao amin’ny Matio 25:14-30. Isika tsirairay dia samy nanankinan’Andriamanitra talenta hampiasaina, fanomezana, toetra tsara. Zavatsoa feno fampanantenana ireo, nefa mitaky andraikitra ihany koa : haintsika ve ny mampiasa azy ireo mba hanompoana an’Andriamanitra sy ho voninahiny ?
Tompo ô, ampianaro aho hanisa tsara ny androko, ka hanao ho laharam-pahamehana ny hahafantatra tsara kokoa Anao sy ny hampahafantatra Anao, mandra-pahatonga ny andro hiantsoanao ahy ho any aminao, dia ao amin’ny fifalian’ny Tompoko.”
(araka an’i Malou D.)