Alarobia 21 Avrily 2021

Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena ; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa. 1 Timoty 4:8

Mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany. 3 Jaona 2

 

Fiainana ara-panahy sa fanatanjahantena ?

Fano sy Ranto dia zazalahy kristiana manana toetra samy hafa tanteraka. Ny iray, tia fanatanjahantena ka mandany ny harivany rehetra amina fanazaran-tena ; ny faharoa kosa, tena tsy tia fanatanjahantena ka mipetraka milamina ao an-tranony, tsy mampiasa vatana mihitsy. Nifanakalo hevitra momba ny andinin-tSoratra Masina voalaza etsy ambony izy roa lahy, ary samy hafa tanteraka ny fandraisany azy :

— Fano dia manindry ny teny hoe mahasoa, ary tsy niraharaha firy ny tohiny hoe : „kely ihany”.

— Ranto kosa dia manitrikitrika ny teny hoe kely ihany, mba hanalany tsiny ny hakamoany.

Samy nampisongadina ny ampahany izay metimety amin’ny fiheviny izy roa lahy !

Fano anefa tokony hisaintsaina ny tohiny hoe : fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra. Ny hoe toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia firaiketampo fatratra aminy. Rehefa manao fanatanjahantena isan-kariva, dia kely sisa ny fotoana sy hery hamakiana ny Baiboly sy hivavahana… Raha manokana fotoana be loatra ho an’ny fanatanjahantena, mba hahatsara ny vatana, dia mety manimba ny fiainana ara-panahy sy ny fifandraisana amin’Andriamanitra.

Ary ho tsara ho an’i Ranto kosa ny mahatsiaro fa mahasoa ny fanatanjahantena, na dia amin-javatra kely ihany aza izany. Andraikiny ny mikolokolo ny vatany.

Ry kristiana, mora ny mandray izay metimety amintsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Aza manova ny hevitr’izay voasoratra, mba hampifanaraka ny Teny amin’ny fisainantsika, fa aoka isika hampifanaraka ny fisainantsika amin’ny Teny ! Aoka hamaky azy feno sy am-pitandremana, ary hamela azy handamina ny fiainantsika sy ny fandaharam-potoanantsika. Izany no fomba hahasalama antsika amin’ny lafiny rehetra.