Alakamisy 22 Avrily 2021
(Hoy Jesosy :) Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy ; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. Jaona 15:5
„Izaho dia mpino, saingy tsy mankany am-piangonana”, hoy ny re indraindray. Ahoana moa ny fiheverantsika olona iray miteny hoe : „Izaho dia mpitendry valiha”, nefa tsy mitendry mihitsy ? Tsy mitombina izany fanambarana izany ! Araka izany, ny mpino tsy mampihatra izay inoany dia tsy mpino akory. Satria „maty… ny finoana, raha tsy misy asa” (Jakoba 2:26).
Fa inona moa no dikan’ny hoe „mampihatra izay inoana” ? Mankany am-piangonana tsindraindray ve ? Sa manaja fombafombam-pivavahana na fanaon-drazana sasantsasany ? Na koa manao ireo adidy ara-pivavahana noterena hataon’ny rehetra ? Tsia ! fa ny hoe „mampihatra izay inoana” dia ny manana fifandraisana manokana amin’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra ! Hatao ahoana ny tsy hiraharaha io fifandraisana io, raha mpino ? Hoy ny nosoratan’ny apostoly Petera ho an’ireo mino an’i Jesosy : „Na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, … dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra” (1 Petera 1:8). Hatao ahoana ny hivelona „amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20), nefa tsy misy akony eo amin’ny fiainako izany ?
Tsy hay sarahina ny finoana sy ny asa tanterahina noho ny finoana. Miseho amin’ny fomba mivaingana ny fiainana eo anilan’i Jesosy, rehefa mamaky Baiboly, mivavaka, ary maniry hiara-mivory amina kristiana hafa. Io fiainana io dia voamariky ny fitiavana azy ireo, ny fahalalahan-tanana, ary ny faniriana hiresaka an’i Jesosy Kristy amin’ny manodidina sy hankatò an-tsitrapo izay ampianariny. „Ny voany no ahafantarana ny hazo”, hoy ny Filazantsara (Matio 12:33). Tokony hanontany tena ny tsirairay hoe : Mitovy amina hazo tsara ve aho sa amina hazo ratsy ? Tena mpino ve aho, sa tsy manana akory ilay fifandraisana iankinan’aina amin’i Kristy ?
(amin’ny heriny ny farany)