Zoma 23 Avrily 2021

Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery… Nanony ny rivotra mahery Izy, ka nitsahatra ny onjan-drano. Salamo 107:25, 29

 

Fiampitana ny farihy

Tsara vakina : Marka 4:35-41

Nandao ny vahoaka nanodidina Azy Jesosy, ka niteny tamin’ny mpianany hoe : „Andeha isika hita ho eny ampita”. Koa satria Izy no nibaiko —sady niaraka tamin’izy ireo rahateo-, dia mety ho tsy tody soa ve ? Saingy navela hitranga ny tafiodrivotra, nalefa mihitsy aza. Fitsapana ny finoan’izy ireo izany.

Tahaka ireo mpianatra isika, matetika, dia mihorohoro rehefa tonga tampoka ny fizahan-toetra. Toa heverintsika ho tsy mahita mihitsy Andriamanitra, tsy mahare na inona na inona, tsy miraharaha. Toa very fanantenana isika. Hery hiantso vonjy, sisa, no mbola ananantsika. Dia eo indrindra no miditra an-tsehatra Andriamanitra, rehefa tsy miezaka intsony isika ny ho tafavoaka amin’ny herintsika samirery. Tsy misy izay tsy hitany, ary fantany ny fotoana tandrify hiasana. Vao mainka mamirapiratra kokoa ny fanafahana, amin’izay, ka mahatonga antsika ho feno fankasitrahana Ilay mampiara-miasa ny zavatra rehetra hahasoa izay tia Azy (Romana 8:28).

Mahatalanjona ny Mpamonjintsika ! Olona toa antsika ihany Izy, fony tetỳ an-tany : nahatsiaro vizana ka raiki-tory mihitsy, reraky ny dia. Izany no ahafahany mahatakatra ny hasasarantsika sy ny fahoriantsika (Hebreo 4:15). Miaraka amin’izany anefa Izy dia mitoetra hatrany ho Ilay Andriamanitra nahary izao rehetra izao sy mifehy ny zava-drehetra (Kolosiana 1:16, 17). Tsy misy tsy hainy atao.

„Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana, ho famonjena amin’izay andro mahory” (Hebreo 4:16).