Asabotsy 24 Avrily 2021

Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo sy mampitraka izay rehetra mitanondrika… Hanefa ny irin’izay matahotra Azy Izy. Salamo 145:14, 19

 

Fanasitranana lehilahy malemy iray

Tsara vakina : Marka 2:1-12

Tany Kapernaomy Jesosy, tao amina tokantrano iray efa mpampiantrano Azy matetika. Tsy afaka hitoetra tsy ho fantatr’iza na iza Izy tao, satria nibosesika ny olona ka tsy nisy toerana intsony hidiran’ireo izay nanana antony manokana nilàna Azy.

Indro, lehilahy iray malemy ka tsy afaka hanatona samirery ; olona efatra no nifanaraka mba hitondra azy ho eo amin’i Jesosy. Tsy afaka nidirana hoe teo am-baravarana ? Tsy mampaninona izany, avy any an-tafontrano izy ireo no hiditra ! Ny finoana dia mampanitatra ny saina, ary manome herimpo ihany koa. Maro ny mety ho niala an-daharana, fa izy efa-dahy mpilanja ireto kosa dia vonona hiroso hatramin’ny farany. Ohatra lehibeanie izany e : maneho fifankatiavana, fandavantena, fifampitokisana ary faharetana !

Hihoatra noho izay nantenain’ilay marary ny teny ren’izy ireo, hoe : „Anaka, voavela ny helokao”. Ny tena dokotera mantsy dia tsy mianina amin’ny hoe mampitony ny fanaintainan’ny olona marary na mampidina ny hafanany. Mamantatra ny aretina izy, ary tsy ny vokatry ny aretina ihany no tsaboiny, fa ilay aretina mihitsy. Izany no ataon’i Jesosy. Ny fototry ny ratsy rehetra mahazo ny zanak’olombelona dia ilay antsoina hoe „ny ota”. Ary mba hampahatsahivany izany antsika, dia io olana io aloha no novahany, tao amin’io lehilahy sembana io. Rehefa manatona ny Tompo Jesosy, dia mahazo valiny mihoatra lavitra noho izay mba fatran’ny finoantsika. Angamba ilay marary ho nianina tamin’ny fanasitranana ny vatany ; nefa manankarena famindrampo ny Mpamonjy : sitraniny koa ny fanahy, ary izany aza no ataony voalohany indrindra.