Alahady 25 Avrily 2021
Fa samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra. Romana 3:23
(Kristy) Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika. 2 Korintiana 5:21
Zava-misy tsy dia fantatra loatra, ankehitriny, ny atao hoe fahotana. Samy manana ny fandraisany azy io ny olona tsirairay.
Misy milaza fa ny fahotana dia hevitra noforonina tamin’ny vaninandro antenatenany, nampidirin’ny fivavahana mba hampitahorana ny mpino sy hihazonana azy ireo eo ambany fangejana. Hoy indray ny hafa, hoe ny fahotana dia tsy mahakasika afa-tsy ny mpamono olona, mpangalatra, olo-meloka, ireo rehetra mendrika higadra : tsy misy idirako mihitsy izany ! Ary mbola misy koa manampy hoe ny antsoina hoe fahotana dia miankina amin’ny fomban-tany, ny kolontsaina, ary ny vanimpotoana, ka mihevitra hoe : soa ihany ankehitriny fa tsy sarotiny toy ny taloha intsony !
Nefa tsy ny fomba famaritantsika ny fahotana no zava-dehibe, fa ny fomba fahitan’Andriamanitra azy, araka ny ilazany azy ao amin’ny Baiboly, sy ny fomba itsarany azy. Ny fahotana dia izay zavatra rehetra ataon’ny olombelona ka tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ny lazain’ny Tenin’Andriamanitra, sy ny ohatra nasehon’i Kristy mbamin’ny teniny, no mamaritra amintsika ny atao hoe sitrapon’Andriamanitra, ka ankasitrahiny. Izay mifanohitra amin’izany dia tsy azony ekena.
Masina Andriamanitra ka tsy maintsy manameloka ny fahotana, na dia izay heverintsika ho bitika aza. Nefa kosa mamela heloka Izy, noho ny asa nataon’i Jesosy Kristy, maty teo amin’ny hazofijaliana, nisolo toerana antsika.
Fepetra iray ihany no ilaina, mba haha voavela heloka : „Mibebaha ianareo, ka miverena, hamonoana ny fahotanareo” (Asan’ny Apostoly 3:19). Ny fahasoavana sy famelan-keloka avy amin’Andriamanitra dia omeny maimaimpoana izay olona miaiky fa mila izany ary mino ny Tompo Jesosy, Izay manjary Mpamonjiny, noho izany.