Alatsinainy 26 Avrily 2021
Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra ? 1 Korintiana 6:19
Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po. Galatiana 5:22, 23
Nanomboka tamin’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, dia nidina teto an-tany ny Fanahy Masina, mba honina ao amin’ny mpino tsirairay : „Ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina” (Efesiana 1:13). Ny Fanahy Masina no mamelombelona ny fiainam-baovao ao amin’ny mpino sy miteraka „vokatra”, izay mihamasaka ao aminy, noho ny fahasoavan’Andriamanitra. Izany vokatra izany dia fitambaran’ireo toetra tsara ara-panahy tanisain’ny andinin-tSoratra Masina androany, hoe „fitiavana, fifaliana, fiadanana…” Raha fenon’ireo toetra ireo ny fon’ny kristiana, dia miseho eo amin’ny fiainany sy ny fitondrantenany izany. Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hanoratra ho an’ny mpino tany Galatia (faritany misy an’i Torkia ankehitriny), hoe : „Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy” (Galatiana 5:25).
Nalaim-panahy mantsy ireo kristiana ireo hiaina toy ny hoe tsy ampy ny vokatry ny Fanahy. Noho izany izy ireo dia nitady hanampy ao amin’ny finoana kristiana ananany, fombafomba sasantsasany asain’ny lalànan’i Mosesy arahina.
Nefa raha manao izany, dia very ny nentin’ny tena Filazantsara, satria ny hoe mandeha araka ny Fanahy dia mamela malalaka Azy hanome antsika ny hery handavana ny ratsy sy hanaovana ny tsara. Afaka manatanteraka izany isanandro isika, amin’ny alalan’ny finoana. Toy ny zaza miana-mandeha, dia mila mianatra mandeha araka ny Fanahy isika, ry kristiana namana. Izany dia fianarana mitohy mandritra ny fiainana manontolo ary mampitombo io vokatra io, izay ao anaty, nefa hita maso. Satria io vokatra io tsy soritsoritana ho asa etỳ ivelany, fa toetra tsara ara-panahy toy ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana…
Hovoaboasina isaky ny alatsinainy sivy manaraka ireo „tsiro” —n’ny vokatry ny Fanahy ireo.