Talata 27 Avrily 2021

Hampahafantatra ahy ny làlan’aina Ianao ; fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao. Salamo 16:11

Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana, ho famonjena amin’izay andro mahory. Hebreo 4:16

 

Miaina ny fanatrehan’i Jesosy Kristy

Hafatra nampitaina kristiana nenjehina

„Noho ny finoany dia nigadra nandritra ny dimy ambin’ny folo taona mahery ny kristiana iray tao amin’ny fiangonana nisy ahy. Tsy nahita azy aho taorianan’ny fotoana nanafahana azy. Fa indray andro dia nifanena izahay. Hoy izy tamiko : „Ny fanatrehan’i Jesosy Kristy irery ihany no nihazona ahy ho velona ! Teo anilako Izy, nandritra ireo fotoana maizim-pito sy nampangorohoro”. Fantatro fa marina izany, satria teo anilako koa ny Tompo, fony aho nigadra toa azy.

Ny hoe „eo anatrehany” dia tsy fahamarinana ara-teolojia na ara-potokevitra fotsiny, fa tena efa niainako ! Hadino ireo fotoan-tsarotra —zava-mampihoron-koditra, fangidiana, fisalasalana (eny, ireo fisalasalana ihany koa !) — rehefa miseho ny fanatrehan’Andriamanitra, izay mameno fifaliana sy fiadanana antsika.

Nefa ve tsy maintsy any an-tranomaizina vao afaka hiaina ny fanatrehan’Andriamanitra ? Tsia, mazava ho azy ! Na aiza isika na aiza, dia afaka miaina ilay fampirisihana hoe : „Manatòna an’Andriamanitra ianareo”. Nefa arakaraka ny maha maizina ny toerana (toy ny any am-ponja), no amirapiratan’ny fahazavan’ny fanatrehany. Ndao àry hanatona an’Andriamanitra mandrakariva, na amin’ny fotoanan’ny fitsapana na amin’ny fotoanan’ny fahombiazana, na amin’ny fotoanan’ny alahelo na amin’ny fotoanan’ny fifaliana.

„Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha” (Salamo 91:1). Misy zavatra manahiran-tsaina anao ve ? Mandosira any aminy, Izy Ilay fierenao ho mandrakizay, ary mialà sasatra eo ambanin’ny aloky ny Avo Indrindra, Izy Ilay Rainao.”

Horacio Herrera (Cuba), 30 taona nanompoana an’Andriamanitra teo anivona tontolo tsy mino an’Andriamanitra