Alarobia 28 Avrily 2021

Andramo ka izahao fa tsara Jehovah ; sambatra izay olona mialoka aminy. Salamo 34:8

 

Tsy manao fahadisoana Andriamanitra

Indray andro dia nisy tigra namely ity mpanjaka-na foko afrikana, ary tsy avotra izy raha tsy niditra an-tsehatra ny andevony iray ; saingy tapaka rantsantanana iray ihany ilay mpanjaka. Tezitra be izy ka niteny mafy hoe : „Raha tsara Andriamanitra, dia tsy ho tapaka rantsantanana aho”. Nefa namaly azy ilay andevo, izay kristiana, hoe : „Ry mpanjaka ! tsara Andriamanitra, ary fahendrena avokoa izay ataony. Tsy mba manao fahadisoana mihitsy Izy”. Romotry ny hatezerana ilay mpanjaka, nandre izany teny izany, ka nanagadra ilay nanavotra ny ainy anefa.

Fotoana fohy taorianan’izany dia lasa babo ilay mpanjaka, babo-na mpiady zatra manao sorona olombelona, ho an’ny sampiny. Saika natao sorona ilay mpanjaka, kanjo rehefa nahamarika ireo fahavalony fa tsy ampy rantsantanana iray izy, dia namotsotra azy avy hatrany, satria tsy azo atao ny manao sorona olona misy kilema ara-batana.

Nony tafaverina tany aminy ilay mpanjaka, dia nampamotsotra ilay andevo nogadrainy ary niteny taminy tam-pahalemem-panahy hoe :

— Tena tsara tamiko tokoa Andriamanitra. Tokony ho novonoina aho ; nefa satria tsy ampy rantsantanana iray, dia navotsotra. Fa manontany tena kosa aho, hoe nahoana no navelan’Andriamanitra hanagadra anao.

— Ry mpanjaka, hoy ilay andevo, raha tsy nigadra aho, dia ho niara-voasambotra taminao ka ho natao sorona nisolo toerana anao, satria mbola eo daholo ny rantsantanako.

Matetika dia tsy takatsika ny fikasan’Andriamanitra ao amin’ny toejavatra iainantsika. Nefa aoka isika hahazo antoka mandrakariva fa „ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra” (Romana 8:28).