Alakamisy 29 Avrily 2021
Ny adala manao anakampo hoe : Tsy misy Andriamanitra. Salamo 14:1
Tsy nisy nahita an’Andriamanitra, na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy. Jaona 1:18
Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. Jaona 20:29
„Tahaka an’i Tomasy aho, tsy mino afa-tsy izay hitako !” Teny atao vazivazy izany, nefa tena sahisahy, ary mety hampidi-doza mihitsy aza. Isika ve mandà ny fisian’ny tsimok’aretina sy ny atoma, satria hoe mbola tsy nahita izany ? Nefa raha tena tahaka an’i Tomasy tokoa ianao, dia mahafantatra tsara fa diso hevitra izy, nandà tsy hino hoe efa nahita an’i Jesosy nitsangana tamin’ny maty ireo apostoly. Raha tahaka an’i Tomasy isika, dia diso hevitra ihany koa. Saingy niaiky ny fahadisoany izy, ka niantso mafy teo anatrehan’i Jesosy, hoe : „Tompoko sy Andriamanitro !” (Jaona 20:28).
Aoka isika hanokatra ny masontsika ka hibanjina an’Andriamanitra ao amin’ny voary, satria miseho tsara ao ny halavorariny tsy hita maso, ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy (Romana 1:20) : masoandro milentika, lanitra rakotra kintana, voninkazo, … ; miseho koa ao amin’ny fomba mahatalanjona fiasan’ny vatan’olombelona, miseho ao amin’ny firindran’ireo lalàna mifehy ny tontolo hita maso.
Andriamanitra dia maneho ny tenany ao amin’ny fieritreretantsika ihany koa, ary indray andro any dia mandre ny feony ny tsirairay, indrindra rehefa nanao ratsy. Marina fa azo atao ny tsy miraharaha io feo ao anaty io sy manamafy fo, saingy mampidi-doza izany…
Miteny amintsika amin’ny fomba maro samihafa Andriamanitra, indrindra amin’ny alalan’ny Teniny. Ndao hamaky Baiboly, ary ao anatiny ny Filazantsara, izay mirakitra fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo olona nahita maso an’i Jesosy sy niara-niaina taminy. Andriamanitra mantsy dia naneho ny tenany tao amin’i Jesosy Kristy, Izay nilaza hoe : „Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (Jaona 14:9).
(farany)