Zoma 30 Avrily 2021
Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany ; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho ! … Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny filazantsara, mba ho tonga mpiombona aminy aho. 1 Korintiana 9:16, 23
Nisy fikambanam-barotra misahana solitany, nikasa hanokatra masoivoho tany Chine. Noho izany izy dia nitady tale tanora, miteny sinoa, manana ny mari-pahaizana ambaratonga ambony ilaina sy mahay mitantana.
Olona maro no nilatsaka hifaninana, saingy tsy nisy tandrify ny toetra amam-pahaizana notadiavina. Nony farany dia nisy lehilahy iray hita tamin’ny fomba miafina sy mivantana, mety hahavita izay nilaina : 28 taona, manana ny mari-pahaizana notakina sy toetra-na mpitarika. Nefa lasa saina sady liana ilay fikambanam-barotra, satria io olona io dia misionera kristiana kely fidiram-bola ka nitady famenony. Teo no ho eo izy dia norosoana tolotra tena nahasarika.
Tsy nekeny anefa ilay tolotra. Nampitomboina ilay karama, nefa mbola nolaviny ihany. Nomena tolotra vaovao izy, ary nandà hatrany. Koa nasaina nilaza izay fepetra ilainy izy. Namaly ilay misionera hoe :
— Tsy ny vola no olana : amin’izay lafiny izay dia tena mahaliana ny tolotra arosonareo. Ny olana, dia izaho te hanome toerana lehibe ny asa misionera ataoko ! Nantsoin’Andriamanitra aho hitory ny Filazantsara eto Chine. Ho diso be aho raha tsy manatanteraka izany.
Nahafantatra ralehilahy io fa voantso mba hanompo an’Andriamanitra, Ilay „Andriamanitra Mpamonjy antsika, Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina” (1 Timoty 2:3, 4). Fahasoavana toy inona anie ! ho an’ny tsirairay, araka izay sahaza azy avy, ny maha „mpiara-miasa” amin’Andriamanitra, Izay tsy tia ny hahavery an’iza na iza, fa mba hahatonga ny olona rehetra hibebaka (2 Petera 3:9).
Tsy izany ve no misiona anirahana ny kristiana tsirairay, eo amin’ny asa aman-draharahany andavanandro ?